ravatorano

Aleo atao amposy ny vola hanaovana vacance

ravatorano | 11 Jolay, 2006 22:35

Miakatra indray ny solika ary efa any amin ny telo arivo ariary any.Noho izay dia nampiakatra ny saran dalana ihany koa ireo mpitatitra amin'ny zotra nasionaly sy rezionaly rehetra eto amin'ny firenena.Eo amin ny 35% ka hatramin 'ny 45% izany fiakarana izany raha ny tsikaritro aloha raha sendra nandalo teny Anosizato atsinanan aho teny amin ny fasan'ny karana sy teny Ambodivona izay toerana itobian ireo fiara manao asa fitaterana.
Raha manao kajikajy ianao dia tena sempotra miitsy ary vitsy ny fianakaviana no afaka hiaraka hanao vacance izany amizao fa tena tsy zakan 'ny fahefa-mividy tsotry eh !

Raha avy eto antananarivo enao no ho any Mahajanga izany defa 25.000 ariary ny saran-dalana an 'olotokana ka raha efatra na dimy mianaka nareo defa 250.000Ariary izany mandroso miverina ny trano hitobiana mbola manginy,ny sakafo snss.Raha ho any toamasina indray dia 15.000Ariary ny sarandalana , izany ho any tuléar na antsiranana izany aloha dia ataovy nofy fa tena tsy ho zaka miitsy satria niakatra be.

Ka aleo lavitra aloha atao ampoasy ny sosy dia ny sabotsy sy alahady no mandeha mitsangatsangana ety amin'ny manodidina ety ihany fa tsy vita kalé

 

inona no atao reefa azo ny baka na baccalauréat

ravatorano | 11 Jolay, 2006 22:10

voaloany injinja kalouh d we hianatra eny amin ny oniverisité.Ho an ireo saragan olotsotra dia ny oniveristé panjakana no hidirany ary ny manakatao dia afaka miditra ami ireny institut marobe andoavambola ireny.
Amizao fotoana izao dia maro ny tanora no manana diploma , manana ny traikefa entina miasa saingy ny famoronana asa ho azy ireo no tsy maharaka.
Ny tsenan'ny asa eto Madagasikara ho an ireo tanora mahavita fianarana dia tena ety sy tery miitsy ary sarotra ihany koa ny managana orinasa najinika ho an'ny tena raha jerena amin'ny fisehoan ireo sakana maro miseho eny rehetra eny.Ny"procédure" ihany koa tena lava no sarotra

Raha afaka baka zany dia aoana ? mianatra sy miakatra amin ny ambaratonga ambony indray é d reefa mahavita eo vao tena ho loza satria hitady asa amizay ???????

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb