ravatorano

mangina ny andron'ny roa janoary 2008

ravatorano | 02 Janoary, 2008 09:29

ravatorano
Andro fiasana anio roa janoary valo sy roa arivo.
Mangina tokoa satria ny olona saika naka fialan tsasatra daholo (saika congé annuel avokoa).
Ny taxi be zany dia tena malalaka ery,ny fitohanan'ny fiara dia ohatran'ny hoe nofy fotsiny fa dia malalaka ny arabe.
Ny fako no mivangongo eraky ny lalana izay aleha na dia efa mandray ny andraikiny aza ny ao amin'ny commune ao.
ny orana koa nanao izay ho afana ka tena nandreraka ilay nivoaka kle fa naleo d nanamafy tao ambovo miaraka amin'ny jus sy ny tsaky ary ny alokaola tsy adino.
Famalalaka wa ny taxi be e!efa mimenomenona sahady ry zalahy hoe ho ratsy indray zao ny kandra fa vitsy ny olona mivezivezy ! nefa tokony izao no fotoana hanamboaran dry zalahy sy hanaovany revision ny fiarany mba hahafanan dry zareo mampiasa azy hampahatoniana bebe kokosa satrai tsara ny manana fiara miasa tsara voatra sy vita vizity tsara koa

tonga soa enao ra 2008

ravatorano | 02 Janoary, 2008 06:45

Na dia tao anatin'ny orana mikija aza no niandrasana ity taona vaovao ity dia mino aho fa tso-drano ihany izany ary ho taom-pahombiazana ho antsika mianakavy ra 2008.

Eto dia mirary soa , fahasalamana,fahombiazana ho antsika namana rehetra izay mamaky ity lahatsoratra ity aho.Ho taona Zina ho antsika anie ity taona ity !

Ny mampalahelo dia ny fitomboan'ireo traboina eto antananarivo izay eo ami'ny zato isa isan'andro eo araky ny vaovao navoakan'ireo mpikarakara izany satria niakatra betsaka ny rano ary fefika ny tanana ambany hono izany.
Na izany aza dia tsy mbola atahorana hono ny tena fiakaran'ny rano sady mba tsy avy koa ny orana omaly naraina sy ny tolak'nadro fa mba nanaja ny voalohan'ny taona ny ranonorana ka mba niato kely izy izany e

Izany fahabetsahan'ny orana izany dia vokatr'ilay rivo doza mananontanona an'i madagasikara avy any atsimo andrefana any any akaikin'i belo sur tsiribihina any, avaratra an'i morondava any , soa lahy fa efa aty antananarivo ny tenako fa sahirana raha notratran'izany tany ampanaovana asa tany morondava tany marina moa ouh !

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb