ravatorano

Tsy ho ela intsony dia ho hita izay hatao amin' ireo zaza siamois malagasy vao teraka farany teo !

ravatorano | 19 Jolay, 2008 08:39

ImageIray volana anio ny nahaterahan’i Mahalatsa sy Mahagaga, ireo zaza kambana miraikitra kibo avy any Amboasary atsimo, teraka tamin’ny 19 jona 2008. Mihamahazo aina ankehitriny izy roalahy satria efa nahatratra 4kg omaly ny lanjan’izy roalahy mitambatra, tao amin’ny « Pavillon Ste-Fleur », araka ny nambaran’ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana taminay. Tsahivina fa 2,8kg monja ny lanjan’izy ireo tamin’ny tonga teto Antananarivo.
Amin’ny herinandro ambony dia hidinika ny amin’ny hirosoana amin’ny fitarafana azy ireo amin’ny « scanner » ireo mpitsabo, raha ny “échographie” no efa vita, andro vitsy taorian’ny nahatongavan-dry zareo teny amin’ny HJRA. Antony nanemorana ny fotoana handinihana akaiky ny momba azy ireo (taova iraisana raha misy sns) ny lanjany kely loatra sy noho izy ireo marefo.
 Mikasika ilay zokin’izy ireo lahy 3 taona, dia mbola tsy mahamaika an-dRtoa Anjaramena, reniny ny hampiakarana azy aty an-dRenivohitra avy any Amboasary atsimo noho ny toetr’andro tsy mitovy, hoy ny senatera Kaleta. Mangatsiaka eto afovoan-tany amin’izao fotoana izao ary mety hanahirana ilay zaza. Tsy milaza anefa izany fa hisaraka maharitra amin-dreniny ity zaza ity.
Voalazan’ny mpitsabo mantsy fa any amin’ny faherintaonany any ho any ireto kambana ireto vao mety hodidiana. Izany hoe hijanona eto Antananarivo mandritra ny herintaona mahery izy telo mianaka miaraka amin’ny renibeny. Mbola hampiakarina araka izany ilay zokiny fa ny fotoana no mbola tsy fantatra.

nosoratan'i


Jocelyne Randrianary

nalaina tao amin'ny

gazetiko

nivoaka ny

19/07/2008

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb