ravatorano

ny baccalauréat 2008 !

ravatorano | 29 Aogositra, 2008 04:43

Vita ny fanadinana fa ny valiny no nandrasan'ny mpiadina tao anatin'ny fitaintainana .Izany dia vokatry ny fisalasalana nanobmoka teo min'ny "délibération" izay nolazaiana fa tsy ny mpampianatra rehetra no nisafidy azy.Iny eo ihany fa nanampy trotraka ihany koa ny fialzana fa nisy tsy nety teo amin'ireo milina informatika nanambarany ny isan'ny mpianatra.
Maro tamin'ny olona no nihevitra avy hatrany fa nety nisy "bizina" indray tao , d asa anefa raha efa tena lomorina amin'izany ny saim-bahoaka ka raha vao misy fahatarana na indro kely amin'ny vokatra toy itony dia lazaian fa misy "afera" ao !

Dia nivoaka afak'omaly alina izany ny vokatra teo amin'ny "série tecnhique",ary nilaza ny tompon'nadraikitry ny fanabeazana fa nitombo ny isan'ny mpianatra faka fanadianan.Nivoaka alina koa ny teo amin'ny "seria C sy D" ary teo amin'ny 47,37% teo no salan'isan'ireo afaka fanadianana.Nilazaina indray koa fa nihabetsaka ny mpianatra afaka tamin' ity taoana ity ary dia azo everina izany fa niakatra ny lanaj'ny fampianarana.

Fa ny mahagaga dia ilay vokatra izay avoaka tsikelikely?Nilaza ry zareo tao ami'ny office de bacc fa mbola tsy fantatra na anio na rahampitso no ho tafavoaka ny bacc "serie A1 sy A2".
Izany dia noho'ny tsy fetezan'ny milina informatika ihany !!!!!

Nisy aza tompon'andraikitra ao amin'ny fanabeazana nilaza hoe hatao ho fomba fanao indray ity mamoaka vokatra tsikelikely ity zany hoe avoaka aloha ny tekinika dia ny serie C dia avieo ny D dia avieo ny A1 dia farany ny A2 fa kosa tsy atao tara loatra ny fanaovana ny fitsarana ny fanadinana .

tsy hay tsony e!

miova sata miova andriana tokoa !

fa dia eo isika mahita izy !

Hevitra

Re: ny baccalauréat 2008 !

DotMG | 29/08/2008, 08:27

Izaho miasa amin'ny informatika fa tranganjavatra mpiseho kosa ilay hoe nisy tsy nety ny milina e! Rindrankajy efa ataonao milamina tsara izao, andramana im-polo tsy misy olana, fa rehefa eo amin'ilay andro hiseho vahoaka ny ataony vao manondrana izy. Bill Gates aza hono hanao fampisehoana rindrankajy no tratran'ny BSoD koa. :D

Re: ny baccalauréat 2008 !

ravatorano | 29/08/2008, 11:20

ravatorano

misy ekeko ny tenin i DotMG io fa firy amin'ny ray aman dreniy manajanaka naka bacc no hino an izany noho ilay tsaho aely hoe misy bizina atao ao ?

eo ange ilay izy e !
ilay toe-tsaina no tena tiko tenenina amin ilay resaka fa tsy dia ilay fahasamponana teo amin'ny lafiny tekinika ihany.
raikitra aza ilay hoe "naoty tokony ho 14 ono lasa 4 " d ahona izany houzy ny tsy tena nahazo vaovao! raha ny zanako no tratran izany dia ahona?
dia tsy mahatoky intsony ilay tarehi marika omen'ny mpitsara na avoakan'ny office du bacc ny olona avieo reefa tsy afaka ny zanany !

asa re

Re: ny baccalauréat 2008 !

DadaRabe | 31/08/2008, 12:06

Dia miarahaba an'ireo izay afaka (efa nivaly ny C sy D)
Ireo tsy afaka dia mampahery azy ireo é!

Ny tsy mbola mahalala ny valiny kosa (sa efa nivaly?) dia miandry kely é! courage !

Re: ny baccalauréat 2008 !

ravatorano | 02/09/2008, 11:19

ravatorano

efa nivaly tanteraka kah ary niteny ny tompon'andraikitra ambony iray ao ami'ny oniversité Antananarivo fa hatao fomba fanao indray manomboka izao ny famoahana vokatra isaky ny série !
zay zany fa efa tapaka iny !

Re: ny baccalauréat 2008 !

ravatorano | 04/09/2008, 07:03

asa re fa izao indray izany dia haverina hanaovana fijerena manokana indray ny "copies" an ireo mpianatra nanala bacc2008 teo.
ny minisitry ny fanabeazam pirenena mihitsy no nanamafy sy nilaza izany ."contre-verification" moa no ilazan dry zareo azy ary mba hialana amin'ny ahiahi'ny ray aman-dreny maro tamin 'iny voka pifidianana iny
Ka sao ary dia niahiahy koa ry zareo teo amin'ny fitondrana amin'ny fahamarinan'ny fitsarana izany

Mety hisy v izany vokatra vaovao na "deuxieme liste" dia hitombina ve ny ahiahin'ny ray aman-dreny raha misy marina ilay voakatra vaovao ary koa tsy hampihen-danaja ilay "baoritra" azo ve izany
ary raha toa ka tsy afaka indray ireo nolazaina fa afaka dia ahona izany ? tsy eo ve izany no tena hampisy olana ! raha avy any amin'ny mpitsara sy ny mpanakambana naoty no fahadisoana dia tokony asiana fiheverana izany raha toa moa ka tena hita fa "bizina"no nahafaka ilay mpianatra izay everiko fa tsy hisy an"izany tsony amizao andro izao dia tena tokony ampiharina amin dry zareo ny lalana manakery
Ho an'ireo tsy afaka nefa voaporofo fa afaka indray rehefa vita ilay contre verification : sahin'ny ao amin'ny minisitera ve ny amoaka vokatra hafa fanampiny ? satria raha misy izay dia nanaoa sa antsirambina izany ireo tao ami'ny office de bacc izay nilaza fa nanao verification ary izany no nahatara ny famoahana ny voka pifidianana

asa re fa dia ho hita eo indray izany

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb