ravatorano

Ny famadihana : efa mihavery ilay tena fomban-drazana fahiny.

ravatorano | 05 Aogositra, 2008 11:27

 

Tonga indray ny vanim-potoana ny famadihana !

Raha nandeha tamin' iny lalampirenena faha fito iny aho, hatranyFandriana,Ambositra niakatra aty Vakinakaratra ka hatreto ambatolampy dia indreny ny setroka miakatra ny tanana feno olona mivorivory amin'ny tanana ambanivohitra: ao ny misy mpitsoka mozika ao ireo izay efa somary moderina kokoa ka mapiasa ny fitaovana entin'ny aratra toy ny "matosy matanjaka be" arahin'ireo tovovavy mpandray (hotesses)izay tazanay teo ambohimandroso !

Amizao fotoana izao dia efa natao hilaozan'ny toetr'andro izay fomba amam-panao izany ary napetraka ho finoanoampoana aza.Maro anefa ny antony nahatonga ny Ntaolo fahiny nanao ny famadihan-drazana io ary singaniko manokana eto ny fivoriambe sy fihaonan-dehibe ho an'ny fianakaviana iray manontolo.
Maro amin'ny fianakaviana malagasy no mieli-patrana eran'ny Nosy ary sarotra ihany ny hifankahitana matetika nefa rehefa tonga ny ankaratsiana na ny fifaliana dia vory lanona ny fianakaviana miatrika izany , ary ao anatin 'izay ny famadihana.Rehefa tonga mantsy ny famadihana dia vory ny fianakaviana manontolo,tonga eo avokoa ny  ray aman-dreny lehibe ka hatrany amin' ireo dimby sy fara zafy,zafiafy mba hifankahalala amin'ny havany,mba ho fantatry ny havany.Izany ihany koa dia nentina hanomezana lanja ny fianakaviana sy ny fifamatorana misy eo aminy satria ny fianakaviana malagasy dia mivelatra tokoa ary rehefa hoe havana izay dia mahafoaka fihavanana lalina izay.

Ny famadihana anefa amin'izao fotoana izao dia lazaina fa mandany vola ary mambotry ny olona na fianakaviana mbola mifikitra amin'izany.Ekeko tokoa ny fisian'izay ary tsy azo lavina.
Ao koa no miteny hoe manompo sampy ny olona manao ny famadihana fa miresaka amin'ny maty,maka tso-drano amin'ireo razana izay efa maty ireo,manome hasina ireo razana ireo bebe kokoa nohon'ny fivavahana ary lazaina aza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristianina ny famadihana.
Tiako ny hisarihana ny sain'ny mpamamky anefa fa azo atao ny tsy mandany vola be amin'ny famadihana fa io arakarak'izay ataonao ihany fa tsy voatery hamono omby na kisoa marobe dia maka mpihira gasy sy mpitsoka mozika vao azo atao hoe mamasika.amizao dia efa misy ilay antsoina hoe"famonosan-damba" izay asolo ilay teny hoe famadihana satria ny famonosan-damba hoe tsisy fomba arahina toy ny fitetezan'andro,ny fiantsoana fanahy ny andro mialohan'ny famandihana,ny fanasana ny fianakaviana ho vory lanona fa kosa dia tonga ny daty izay voatondron'ny mpianakavy dia sokafana ny fasana dia avoaka ny razana dia fonosiana dia samy miala avieo.Tsotra tokoa izay nefa mahavery hasina indray ilay maha fomba amam-panao azy, mahavery haja ilay nentin-drazana.
Maro ny seho entin'ny famadihana io tamin'ny fotoana mbola nampiroborobo azy satria ankoatran izay efa voalazako tery ambony dia eo koa no ahitana ny fanaovana ny "ateri-kalao" izay iankinan'ny fifanajana sy ny fifampifehezana ao amin'ny fiaraha monina malagasy.Io dia arakarak'izay ataonao amin'ny olona ihany no averiny aminao.

 

Maro indry ny maty sy naratra tamin 'ilay lozam piafamoivoizana izay nitranga tany Ihorombe Ihosy omaly maraina

ravatorano | 29 Jolay, 2008 07:59

Ihorombe
Mpandeha 10 maty tsy tra-drano

 
Nitrangan-dozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, omaly maraina tamin'ny 6 ora sy sasany, tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Kamiao lehibe iray mpitatitra legioma no niharan-doza tamin'izany, ka mpandeha 10 no indray namoy ny ainy teo no ho eo. 16 kosa no naratra, nalefa ao amin'ny hopitalin'Ihosy. Ny 12 amin'ireo, raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana tamin'ny fifandraisana an-tariby tamin'ny komandin'ny kaompanian'ny zandary ao Ihosy, ny kapiteny Théodule Ranaivoarison, dia tena voa mafy tokoa. Mbola atahorana, araka izany, ny toe-pahasalamany. Ny efatra kosa voalaza fa efa mahatsiaro tena tsara ka tsy misy ahiana intsony.
Tsy mbola fantatra mazava, raha ny fanazavana azo, ny tena antony nahatonga ny loza. Hiaka-piakarana amin'iny an-tampon'Ihorombe iny mantsy ilay fiara, raha avy niala kely ny tetezan'Ikelivondraka, no nisehoan'ny loza. Nivily tampoka izy ary nidona tany amin'ny vodin-tendrombohitra. Dia nivadika nony avy eo.
Legioma nalaina avy tao Fianarantsoa, milanja hatrany amin'ny 10 taonina any anefa no nentiny. Nisy tamin'ny gony, nisy ny tamin'ny garaba, ka ireo no indray nianjera, nanindry an'ireo mpandeha.
Voalaza fa ankizy eo amin'ny dimy ka hatramin'ny enin-taona eo ny enina tamin'ireo namoy ny ainy.
 

Nirina Rakotoson
Date : 29-07-2008

L'express de madagascar

 

Araky ny voalaza io izany dia fiara mpitondra entana no nitondra mpandeha ary izay no niaran-doza.Hita fa tena tsy nisy mihitsy fitandremana ary ny loza moa tsy hay mialoha ka raha tsy efa mitranga izay vao hita ny tsininy tamin'ny tsy fanaranhan-dalana.
Ireo mpandeha no tena voa mafy namoy ny ainy tsy fidiny.
Mirary fiononana ho an'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy.

 

Nodimandry anio maraina Ingahy Herizo RAZAFIMAHALEO

ravatorano | 25 Jolay, 2008 10:07

Nodimandry anio maraina  ny Filoha Mpitarika ny Antoko Leader Fanilo izay Andriamatoa Razafimahaleo Herizo .Raha tsiahivina dia efa narary izy ary natao dialyse teny amin'ny Clinique Ilafy.Noho'ny fiombon'ny aretina nefa dia tafiditra atamin'ny "etat comateux" izy alohan'izao fahafatesany izao.
Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sy ny Antoko leader Fanilo .

le milieu du sport automobile est en deuil

ravatorano | 25 Jolay, 2008 08:54

Quatre membres du club du rallye automobile FMMSAM(Firaisan'ny Malagasy Mpanao Spaoro aotomobilina sy Moto): Gaston Ramaroson le S.G du club,Rarivoheriniana(Rivokely le co-pilote de Laza dernier vainqueur du rallye SRK du 12/07/2008),Alain Sam pilote (frère de Papale)et John Rahamefy ancien pilote et membre du staff du club.

Ils ont raté un virage avant à l’approche d’un pont à la sortie d'Ilempona et s'est immergé dans le fleuve avec leur voiture 4x4.Les quatre disparus deux pilotes et deux officiels du club avaient entamé pour le compte du club un road-book ou la reconnaissance du parcours pour Antanifotsy.

Notons également que Gaston Ramaroson est le frère d'Alain Ramaroson ancien ministre du Commerce sous l'égide de Mr Zafy Albert.

Tsy ho ela intsony dia ho hita izay hatao amin' ireo zaza siamois malagasy vao teraka farany teo !

ravatorano | 19 Jolay, 2008 10:39

ImageIray volana anio ny nahaterahan’i Mahalatsa sy Mahagaga, ireo zaza kambana miraikitra kibo avy any Amboasary atsimo, teraka tamin’ny 19 jona 2008. Mihamahazo aina ankehitriny izy roalahy satria efa nahatratra 4kg omaly ny lanjan’izy roalahy mitambatra, tao amin’ny « Pavillon Ste-Fleur », araka ny nambaran’ny Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana taminay. Tsahivina fa 2,8kg monja ny lanjan’izy ireo tamin’ny tonga teto Antananarivo.
Amin’ny herinandro ambony dia hidinika ny amin’ny hirosoana amin’ny fitarafana azy ireo amin’ny « scanner » ireo mpitsabo, raha ny “échographie” no efa vita, andro vitsy taorian’ny nahatongavan-dry zareo teny amin’ny HJRA. Antony nanemorana ny fotoana handinihana akaiky ny momba azy ireo (taova iraisana raha misy sns) ny lanjany kely loatra sy noho izy ireo marefo.
 Mikasika ilay zokin’izy ireo lahy 3 taona, dia mbola tsy mahamaika an-dRtoa Anjaramena, reniny ny hampiakarana azy aty an-dRenivohitra avy any Amboasary atsimo noho ny toetr’andro tsy mitovy, hoy ny senatera Kaleta. Mangatsiaka eto afovoan-tany amin’izao fotoana izao ary mety hanahirana ilay zaza. Tsy milaza anefa izany fa hisaraka maharitra amin-dreniny ity zaza ity.
Voalazan’ny mpitsabo mantsy fa any amin’ny faherintaonany any ho any ireto kambana ireto vao mety hodidiana. Izany hoe hijanona eto Antananarivo mandritra ny herintaona mahery izy telo mianaka miaraka amin’ny renibeny. Mbola hampiakarina araka izany ilay zokiny fa ny fotoana no mbola tsy fantatra.

nosoratan'i


Jocelyne Randrianary

nalaina tao amin'ny

gazetiko

nivoaka ny

19/07/2008

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb