ravatorano

Ravan'ny 15 Maki Malagasy ny Zebres avy atsy Botswanais teo amin'ny lalao rugby tamin'ny asabotsy lasa teo tetsy mahamasina

ravatorano | 14 Jolay, 2008 07:07

Resin'ny 15 Maki Malagasy tamin'ny isa mavesatra ny Zebre Botsowanais omaly raha nifandona teo Mahamasina ry zareo tamin'ny sabotsy lasa teo ary tamin'ny isa 45 nohon'ny 15 izany !
Hita fa niova tokoa ny fomba filalaon'ny Maki tamin ity indray mitoraka ity.Na ny mpilalao aza dia niova koa satria nampiditra ireo mpilalao vaventy toa andry Douglas sy ry Ibrahim ry zareo teo amin'ny lohalaharana na ny "avant".
Ary dia mbola tamin ity lalao ity koa no nahitana baolina nentitanana ka ny avant ireo goavan no nahavita izany .Io baolina io dia nentin'i Ibrahim ary nofaranan'i douglas tamin'ny tanjaka be mihitsy.Tena nilay ny nahita izany satria sambany hoy aho.
Ny gazety miseho isan'andro nivoaka androany dia inoako fa hilaza sy hitantatara io vokatra io.
Ny nahatonfa ny baolina enti tanana na essai moa dia ry Ibrahim,Bienvenu(Bien),Edgar(Douglas),Sidonie(Biby),ary tsy adino ny mpitsara baolina dia i José.
Nahazo bonus isika malafasy satria nahavita essai nihoatra ny efatra ary isika izao no voalohany ao amin'ny goupe misy an i Botswana,Ouganda ary Madagasikara.
Any Ouganda indray ny fihaonana manaraka amin'ny volana aogositra ho avy izao ary mila manao sahala isika dia afaka hilalao ny dingana manaraka indray amin'ny fifanintsanana amin'ny CAN sy ny coupe du monde ho avy izao.
Misaotra ny mpijery tonga marobe nanohana ny ekipa, misaotra ny mpilalao nitondra fandresena ary koa ny mpanazatra ,misaotra ny mpanohana rehetra ihany koa e !
Ho ela velona anie ny Maki Malagasy

le petit Tombotsara Ambinidrazana est sauvé grâce à Diana Chama et beaucoup des gens !

ravatorano | 11 Jolay, 2008 12:14

Selon le Professeur Clément Andriamamonjy, chef de Service et traumatologue à l’Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona à Ampefiloha,Tombotsara Ambinindrazana a été operé avec succès le 10 Juin dernier.

Il souffrait d’une méningo-encéphalocèle fronto-nasale !ouups !

La maladie est une malformation congénitale crânienne et causée par une défection osseuse.

Le cas de méningo-encéphalie est très rare. De 2005 à 2007, il y en a eu 13. 2 cas en 2005, 6 en 2006, et 5 en 2007. De 2001 à 2004, 21 cas ont été enregistrés.
Diana Chama étudiante en journalisme à Mahajanga a vu le bébé et  a lancé un appel à la solidarité pour aider le petit et sa famille afin qu’il puisse se faire opérer.

Mille merci à ceux qui contribuent de loin ou de près à cet opération d'aide à Kamba !

Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

ravatorano | 09 Jolay, 2008 12:42

Araky ny vaovao reko tamin'ny radio Don Bosco anikeo maraian dia nisy fifanjevoana naharatrana mpianatra anakiray tao amin'ny Oniversité Barikadimy Toamasina omaly.

Nifandona tamin'izany ny mpianatra avy any avaratra Antsiranana sy ry zareo avy any atsimo Toliary.Ny niatombohan'ny ady aloha dia resaka joba na sipa na tovovavy iray.Rehefa naharesy tamin 'ny lalao basket ny ekipan'ny toliary dia nanao fetifety sady toliary koa tsy miroro ary dia nahazo sipa avy any avaratra "niaraka nidance tsapiky sy kilalaky"(za no mamorona an'io an! ).Somary taitra sy tezitra ny ndaty avy any atsimo reefa nahita izany ka nisavoritaka kely ny tao amin 'ilay trano filanonana nefa dia nitony ihany.
Avy teo anefa dia raikitra indray ary nitohy tany amin'ny cité U ny gidraka ka nisy mpianatra avy any avaratra Antsiranana no voan'ny vely kobay ka vaky ny lohany ary dia nobondana ny valahany tratran izany.Nahare sy nahita an iny ireo gaolahy avy avaratra dia nangataka mba homen ireo ndaty avy any atsimo ny anaran ireo nahavita nively ny namana mba ho faiziny nefa dia tsy nety nanolotra ilay na ireo nahavanondoza ry zalahya vy any atsimo.Noho izany dia raikitra ny valifaty raikitra ny tora bato sy ny sisa ary niditra antsehatra mihitsy aza moa ny EMMO/NAT toamasina nandamina ny raharaha ,teo ihany koa ireo tompon'andraikitra amin'ny Oniversité any Toamasina nanao ny fandaminana.

Ilay mpianatra avy any avaratra voa mafy ka nolazaiko tsy nahatsiaro tena tery ambony iny zany zizao efa mba nihatsara ny fahasalamany satria efa vita ny radio,efa nizaitra ny tataka teo amin'ny lohany ary efa mahatsiaro saina ranamana.Mirary fahasalamana ho an ilay voa mafy ary koa enga anie mba hitony sy hilamina amin 'izay ny ao amin'ny Cité µBarikadimy ao satria efa betsaka ny mpianatra avy any antsimono efa nibata entana niala tao nohon'ny tahotry nyv alifaty ho avy aminy na dia tsy nanao 'inona n'inoana aza ry zareo izany hoe tsy niray petsapetsa tamin' ireo mpiray fihaviana taminy izay namely kibay ilay tovolahy avy any avaratra.

haverina indray izany ny fanagasiana

ravatorano | 08 Jolay, 2008 08:51

nisy gazety nivoaka omaly izay nilaza fa haverina ny fanagasiana.

Vao niseho io dia maro indray no nioro-koditra hoe hiverindalana indray ve isika.Tena izany tokoa ve raha haverina ny fanagasiana ? amiko dia mila fandinihana lalina ny momba izany .

tsy ratsy akory ny fanagasiana fa ilay fampiharana azy amin'ny fampianarana no mila ezaka sy fanatsarana betsaka ary koa fampiofanana ny mpampianatra hikirakira izany fanagasiana izany

raha nyu eo amin'ny ara panjakana dia rariny loatra raha ny taratasy rehetra ara panjakana dia atao ami'nny teny malagasy avokoa fa tsy hoe teny frantsay na anglisy no mibahana amin'izany.Amizao mantsy toa mirona loatra amin'ny fampiasana ny teny vahiny isika eo amin'ny antsoina hoe taratasy arapanjakana.Ny hitako aza moa raha mikasika ny asako manokana eto izany dia saika teny anglisy avokoa no andikana ny taratasy rehetra ary dia sahirana ilay malagasy kely izay mpiasa majinika tsdy nanovo fahalalana momba ny teny anglisy .Raha teny malagasy anefa izao ilay izy dia tsy nanaosarotra akory ranamana fa vay dia nikatroka tsy nihambahamba hany ka farany dia navelany teo ilay asa fa mbola hitady mpandika teny ono izy.Teo no raikitra ny adihevitra hoe tokony hianatra teny vahiny hafa ny mpiasa teo no nilaza fa andevozin'ny teny vahiny loatra isika ka na taratasy natao ho an'ny samy isika aza dia lasa ny teny vahiny no ampiasaina amin'izany.Dia samy nihazona ny heviny fa tsy nety vita ilay resaka. 


Ka amizao hiheverana ny famerenana ny fanagasiana izao dia inona ary no tena tsara tokony ho atao mba hahamendrika kokosa ilay tany malagasy amin'ny fampiasana azy.

fanafihana eny amin'ny lalampirenena fahafito !

ravatorano | 07 Jolay, 2008 11:17

Mitaintaina izay tsizy ny tena rehefa mandeha amin'iny lalampirenena fahafito iny mianga eto Antananarivo izany ka mipaka hatrany toliara.
Ny tena atahorana aloha dia ny manelanelana an'Ambositra sy Fianarantsoa sady amin 'ireo toerana ireo no tena fanaovan dry ilay tsy vanonana mpandroba ny asa ratsiny.
Vao miainga eo Ambositra ny tena indrindra fa efa hariva sy manomboka maizina ny andro ka hiditra ny alina dia efa indreny fiara maro mifampiandry eny Ivato centre na ao antsimo keliny ao, mifampiandry manao "caravane" ka misy hatramin'ny fiara folo mahery any no indray miaraka ary ao avokoa na ny katikaty izany na ny mazda sy toyota mpitatitra na ny fiara tsotra !Atao ahoana fa mamy ny miaina ary aleo misoroka toy izay mitsabo hoy ny fitenenana.

Amin'ny ankapobeny aloha dia matoa misy ny fanafihina dia efa fantatry ny mpanafika mialoha fa misy azo raisina any , misy olona mitondra vola be avy nivarotra omby na nahavita afera na ...misy vola b any antsikinana e ;mahalana anefa no misy fanafihina ka hoe fandrobana olona entina amin'ny taxi brousse fotsiny ka tsy ahitana fananana betsaka akory.

Na izany aza dia miorikoditra ny mpampiasa iny lalampirenena iny isaky ny mandeha amin'iny ka na misy volabe na tsissy dia manaintaina foana, efa misy zandary ihany eny rehetra eny nefa raha ny eo ambatofitorahana aloha dia tena misy toerana tena kizo be mihitsy ka eo ry zareo matetika no manao ny asa ratsiny , toy izay koa eo ambalamanakana ary dia tsy nataotao foana ny anaran'ireo tanana anakiroa ireo !

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb