ravatorano

ny mahatsara ny makany amin'ny reality rehefa avy ni virtuality ! hahaha!

ravatorano | 12 Novambra, 2007 11:29

ravatorano
Mbola maro ny namana no misalasala mihitsy amin'ny famojena ireny fihaoanana isan karazany karakarain'ny mpiserasera ara virtoaly ireny.
Vitsy ny ankizy no te hiseho mivantanana hoe ity aho mitondra ny ps toy izao.
Ny antony aloha mety maro dia maro fa tsy ho voatanisako eto sady izao ihany koa samy manana ny antony io ary samy mandeha amin'izay fantany fa mamapety ny fiainany
Fa izao nefa aza hadino fa rehefa tena tafaresaka sy tena tafiditra lalina amin'ilay fianeraserana ami'ny tranokala ianao dia mba manitikitika anao ihany ilay hoe mba toa an'iza ary ity na ireto olona mpiresaka amiko ireto !
dia raikitra ilay hoe mba andefaso sary e ! nefa eo mbola misy ahiahy ihany hoe sao dia tsy tena io izy ! hahahaha !
dia na te handroso aza mataotra ihany satria ao ilay antony tsy haiko hihihihihi
mahatonga anah miteny an'izany mantsy dia be ihany ireo izay mba renay izay hoe ho avy rehefa misy fihaoana nefa moa tsy tafa tampoka na tsy tonga indray nohon'ny antony maro samihafa
tsy omena tsiny zareo fa izay no fantany fa mety dia milay foana e sady izany koa tsy hanimbana ny fifaneraseranana ary ami'ny virtoaly kah !
fa na izany aza dia mba maniry hifankahita sy hifankahalala bebekoakoa amin'ireo namana rehetra fa tsara lavitra ange no mifanala ara realy nohon'ny ara virtoaly e

fambolena zanakazo teny Ambatofotsy

ravatorano | 12 Novambra, 2007 11:21

ravatorano
Raikitra indray izany zao ny fambolena zanakazo e
ilay nataon'ny namanan serasera dago teny ambatofotsy iny dia zanakazo fihinam-boa dia ny kaki izany no natao teny fa amin'izao mbola tsy tena ao anatin'ny fotoana fambole-kazo isika
na izany aza dia naka tombony ihany izahay namana tonga teny nanefa ny adidy
Ho avy tsy ho ela ny fambole-kazo eny Andranovelona izay efa misy toerana natao ho a'ny namana serasera dago mihitsy satrai isika efa mpikambana feno amin'ny fikambanana milasoa izay miezaka ny handrakotra azo maintso mavana an'ilay tendrobohitra lohavohitra io izay toerana ipoiran'ny eau vive sotroin'ny be sy ny maro iny
Misaotra anareo namana rehetra tonga teny
misaotra ny mpikarakara ny hetsika toa ireny fa mafinaritra e
misaotra an'ilay namana avy ao amin'ny foko ihany koa
dia misaotra anareo tonga mitsidika eto

Aleo atao amposy ny vola hanaovana vacance

ravatorano | 12 Jolay, 2006 00:35

Miakatra indray ny solika ary efa any amin ny telo arivo ariary any.Noho izay dia nampiakatra ny saran dalana ihany koa ireo mpitatitra amin'ny zotra nasionaly sy rezionaly rehetra eto amin'ny firenena.Eo amin ny 35% ka hatramin 'ny 45% izany fiakarana izany raha ny tsikaritro aloha raha sendra nandalo teny Anosizato atsinanan aho teny amin ny fasan'ny karana sy teny Ambodivona izay toerana itobian ireo fiara manao asa fitaterana.
Raha manao kajikajy ianao dia tena sempotra miitsy ary vitsy ny fianakaviana no afaka hiaraka hanao vacance izany amizao fa tena tsy zakan 'ny fahefa-mividy tsotry eh !

Raha avy eto antananarivo enao no ho any Mahajanga izany defa 25.000 ariary ny saran-dalana an 'olotokana ka raha efatra na dimy mianaka nareo defa 250.000Ariary izany mandroso miverina ny trano hitobiana mbola manginy,ny sakafo snss.Raha ho any toamasina indray dia 15.000Ariary ny sarandalana , izany ho any tuléar na antsiranana izany aloha dia ataovy nofy fa tena tsy ho zaka miitsy satria niakatra be.

Ka aleo lavitra aloha atao ampoasy ny sosy dia ny sabotsy sy alahady no mandeha mitsangatsangana ety amin'ny manodidina ety ihany fa tsy vita kalé

 

inona no atao reefa azo ny baka na baccalauréat

ravatorano | 12 Jolay, 2006 00:10

voaloany injinja kalouh d we hianatra eny amin ny oniverisité.Ho an ireo saragan olotsotra dia ny oniveristé panjakana no hidirany ary ny manakatao dia afaka miditra ami ireny institut marobe andoavambola ireny.
Amizao fotoana izao dia maro ny tanora no manana diploma , manana ny traikefa entina miasa saingy ny famoronana asa ho azy ireo no tsy maharaka.
Ny tsenan'ny asa eto Madagasikara ho an ireo tanora mahavita fianarana dia tena ety sy tery miitsy ary sarotra ihany koa ny managana orinasa najinika ho an'ny tena raha jerena amin'ny fisehoan ireo sakana maro miseho eny rehetra eny.Ny"procédure" ihany koa tena lava no sarotra

Raha afaka baka zany dia aoana ? mianatra sy miakatra amin ny ambaratonga ambony indray é d reefa mahavita eo vao tena ho loza satria hitady asa amizay ???????

Tonga soa ravatorano!

ravatorano | 05 Mey, 2006 07:30

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb