ravatorano

Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

ravatorano | 24 Jiona, 2008 07:02

Raha nanao ny fivoriana mahazatra azy ny filakevitry ny governemanta dia nanendry an'Andriamatoa Jean Louis Robinson ho minisitry ny fanatanjahan-tena.
Izy moa dia mpitsabo ary efa minisitry ny Fahasalamana teo aloha ary efa nitazona ny filohan'ny Holafitry ny dokotera malagasy.

Tamin'izany fanendrena izany no nitenenan'Atoa Marc Ravalomanana Filohampirenena fa hatao laharampahamehana ny fanatanjahatena fa tena tsy lasa intsony ny mahita antsika malagasy "mba tsy hitenenana hoe mitana ny rambony fa manakaiky ny farany" ka dia nanohy ihany izy hoe " mila fanavoazana malaky sady haingana izany ary azo tsapai tanana ao anatin'ny fotoana fohy" Nanaiky moa ny minitra vaovao hanatanteraka ny asa ary dia hanao fanamby lehibe izany mba hanatontosana izany asa izany.

Ny praiministra rabemanajara moa dia nanome toky ny filohan'ny repoblika fa dia hanao adidy masina mba hampandroso ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara

Hevitra

Re: Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

jentilisa | 24/06/2008, 09:27

Ny mampanontany ny maro dia hoe niakatra sa nidina ny toeran'ny Minisitra Jean Louis Robinson? sao dia manakaiky koa ny azy ny farany?

Re: Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

razaordira | 24/06/2008, 11:36

Rariny kosa izany fanapahankevitr'ingahy filoha izany e.
Ny antony anaovana fanatanjahantena tsinona dia mba hahasalama vatana.
Noho izany, afaka mitana an' io toerana io tsara ny mpitsabo.
Sa ahoana ? :-)

lol

harilova | 24/06/2008, 11:48

harilova

hanome ordonansa ho an'ny ministera izany sa ho an'ny mpanao fanatanjahan-tena?
Marina ny an'ny filoha satria izay no fomba hihainana eto amintsika ko:
Ny npandraharaha manao politika, ny mpitsabo lasa mpanazatra, ny mpanao politika manao bizina... dia mivadibadika eo e
Ny laharam-pahamehana angamba tsy ny sport loatra fa ny regime!

Re: Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

simp | 24/06/2008, 14:13

za manokana mahita fa cricket sy base-ball no tokony hianarantsika malagasy fa tsy dia mila vatana loatra manko :)

mba vakio ity ry ministra aaaa

Re: Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

simp | 24/06/2008, 14:14

na ireny gymnastika au sol ireny :)

Re: Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

Hery | 24/06/2008, 15:28

Mila tsaboina marina ny fanatanjahan-tena malagasy

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb