ravatorano

fifidianana filoha mpirenena 25 ocotbre 2013

ravatorano | 30 Oktobra, 2013 06:47

Inona ary no azo lazaina amin izao vaokapifidianana amin'ny ampahany vitsivitsy izao :

° ny CENIT aloha dia nanao ezaka tokoa nahafahana nanatontosa iny fifidianan iny na dia maro aza no azo kiainina tamin ireo fomba fiasan dry zareo teo amin ny fanaovana ny fanisana isan tokatrano.Manome ohatra fotsiny aho hoe teoa aminay izao dia nisy olona tsy teo fa niasa avokoa ny mpifidy ao amin ilay trano efa nolazaiko mba hiverina ny hariva na ny maraina be ireo mpanisa fa tsy nipoitra intsony! izay anefa no asa nampiandraiketina azy ireo mila fahamatorana be ny manao an io asa fanisana io mba hahazahoan ny olona manana ny kara pifidianany !

° ny teo amin'ny fanjakana indray dia izao : ny fokotany no tena nianjadian ilay fizarana ny karapifidianana izay tonga tara.tsy ampy ny fanentanana teo amin'ny fanaparitahana izany karatra izany sy indrindra ny fijerevana ilay lisitra raikitra mba hahalalana na tena voasoratra ao ianao na tsia.Izahay izao tsy nahavita fanisana teto amin ny fokotany nefa nanao ilay fanisana nataon ny cenit dia tafiditra tao ihany ny anarana ary nahazo karatra ho mpifidy soa amantsara !

° teo amin ny birao voatondro hifidiananay aloha dia nilamaina na dia tsy nandray anjara aza ny tenako fa kosa tonga teo ny hariva mba hijery ny fanisam bato sy ny voka pifidianana ! nahagaga ahy tokoa ilay izy satria raha ny propagandy nisy tety amin ny fokotaninay dia tsy nahita afatsy ny solotenan'ny kandidà Hajo,Edgard,Camille vital,Hery vaovao,ary Rolland ny tenako.Ireo no nanao fampielezan-kevitra tety sy nizara tee shirt ary nitaona olona hamonjy fara doboka tamin'ny andro farany.Gaga aho rehefa vita tanteraka ny fanisambato tamin ireo birao enina fa resin ilay laharana faha 33 dokotera robinson tamin ny 20-30% teo ireo kandida voatonona tetsy aloha ireo?Tsy azoko sa izay ilay hoe "ilay iraika lahy taloha"

Ety vinany loharanombato  kaominina Ambavahaditokana distrikan'Itaosy no misy anay ;

°ho anareo mpanao politika indray dia hita miharihary izao fa mbola maro ny malagasy na ny vahoaka mankafy an ingahy ravalo satria ilay laharana 33 dia noho izy no mahatonga azy amin io toerana misy azy izao io amin izao ! sa koa ve izany ilay antsoina hoe nanao "vote sanction" antananarivo ! asa aloha .Ny hita miavaka koa dia ny fandresen ireo kandidà hafa any amin ny faritra nihaviany avy toa andry Julien Razafimanajato any Sofia ry Voninahitsy any melaky sns...

Tsy maintsy hisy ny fiodinana faharoa ary mbola ampahefatry ny tena vokapifidianana izao voaray izao ka mety mbola betsaka ny zavatra hiova .

Anjaratsika malagasy indrindra ny fanjakana manana ny fahefana no milaza fa tsy maintsy hampidirina amin'ny lisi pifidianana ireo olona tokony hifidy nefa tsy tao ny anarany fa tsy ny olona avy any ivelany toa an dramatoa Fatima samoura no  sahy hilaza fa "azy ny azy fa efa nomena fotoana malalaka hijery sy hikarakarana ny mikasika ny fanisana sy ny fisoratana anarana ny vahoaka malagasy ka raha tsy ao ny anarany dia tsy afaka mifidy izy amin ny fiodinana faharoa".Asa anefa fa toa fanjakana manarka ambokony be fahatany ihany ty mijoro ity ary efa hita izany tao ho ao !

Ny tondrozotra na ny ravindalana ilaina ny fampiharana azy malaky dia malaky !

ravatorano | 17 Septambra, 2011 15:55

Sarasara tsy ambaka daholo ary isika mianakavy mamaky eto e !

Iaraha mahalala izany fa dia nanao sonia ny tondrozotra na ravin dalana izay napetraky ny vondrona SADC ny mpanao politika malagasy.Ny tena mahalasa ny sain ny mpanara baovao dia ilay andalana faha 20 ihany e izay mikasika ny mpanao politika nanao sesitany ny tenany na ankolaka izany na koa tsy antery fa ninian izy tompony natao.

Eo indrindra zany tsika.Samy manana ny heviny avokoa ny rehetra momba izay indrindra moa mikasika an i Ravalomanana.Amiko manokana dia aleo izy hody eto Madagasikara raha izay no faniriany sy tiany izy rahateo malagasy ka manana zo amin izany.Tsy hitako mihitsy izay olana fa anjaran ny fanjakana amin izao dia ny FAT izany no manapakevitra ny amin izay ho fandehany na ho samborin dry zareo izy araky ny dosie efa mande sy misy any na hiandry amnistie na koa avelany ho afaka miriaria eny.Ny FAT no tompon andraikitra voalohany amin izany ary anjarany izany no mametraka ao anatin ny mangarahara tanteraka ny momba izay na ny fikatsahana fitsarana tsy mitanila ary mahaleo tena hitsara azy na ny fiambenana azy tsy ho faty alohan ny fotoana na koa izay mifandraika amin ny fahafahany miaro tena amin'ny fitoriana izay hahazo azy ! Fiovana no novoizina tamin ity tetezamita ity ary tokony ho izay no hisy !

Aoka koa ireo izay nanana raharaha rehetra tamin'ny fitsarana mba hahazo ny zony aradalana momba izany aoka hisy marina ny fifamelana ara politika ary hibanjinana amin izay ny fampandrosoana ny vahoaka sy ny firenena.
Tsy tokony avela ho afa maina koa anefa ireo izay nihinana ny volam bahoaka tato anatin izao fitondrana tatezamita izao satria misy ary voalaza an gazety na antsoratra na ambava fa aminà tapitrisa amanjatony mihitsy ny vola alain ny minisitra sasany a amin ny tahirim bolam panjakana na orinasam panjakana entina mikarakara ny tenany na ny ankohonany.Anjaran ny FAT ihany koa izany indray ny filoha mpitarika azy mba tsy hisy intsony ny tsy maty manota na iza na iza.

Betsaka no azo ambara amin iny tondrozotra sy ravindalana iny fa miandry ny fampiharana azy aloha isika dia ho hita eo raha hiady hifandramatra ka hampiakatra totohondry indray ireto mpanao politika malagasy ary hifampihantsy mihitsy amin izao fizarana seza izao.
Hoy Ramafandrahona hoe éty semboko ty tsy omeko anao malala an" fa ny mpanao politikatsika kosa mamalana azy hoe " ty sezako ity e tsy meko anao ralala an é !

Soava tsara ah ! 

RAhampitso indray vao hamoaka ny tena heviny ny SADC mikasika an i Madagasikara !

ravatorano | 11 Jiona, 2011 09:22

Ela izay tsy nanoratako tamin'ity blaogiko ity zay;ny fotoana mihitsy no tsy nisy ary amizao somary manararaotra kely miditra eto.
Henjana mihitsy mantsy amin'izao ny fandehan'ny raharaham-pirenena satria izay neverina mba hamihiratra ny fiainam-bahoaka indray amizao no mitavozavoza fitondra ka mapiditra kizo ny vahoaka malagasy.Fiovana lalimpaka no nokasaina sy neverina fa hisy eto nefa dia toa ny omaly ihany no androany ary vao maika aza loza lavitra nohon'ny efa nisy 50 taona lasa izay raha mbola izao no mitohy amin'ny fanaovana sy ny fampiharana ny politika maloto eto amin'ny firenena.

Inona marina no nampihemotra an ilay "sabotsy mifankahita"? Tokony androany ry zareo SADC no nanome valiteny farany momba an i Madagasikara rehefa avy niheno ireo mpanao politika izay neverina fa mahasolo ny antoko 320 mmisy eto amintsika nefa dia nihemotra ho rahampitso indray zany.Ny antony ??? tsy haiko aloha fa dia ho fantatra eo ihany !

Asa kosa sao dia ny famoahan'ny parlementera eropeanina volavolan-kevitra izay mamerina sy manamafy indray ny tsy fankatoavany ny Fitondrana avon'ny tetezamita FAT izay milaza ny tsy fankatoavan dry zareo ny mpitondra amizao amin'ny fanomanana ny fifidianana.Eo koa ny hoe avy dia ny dinan'i Cotonou no ampiharina ary io dia tena manala amin'ny toeran'ny mpitondra amizao eo amin 'ny familiana ny firenena satria dia neverin-dry zareo ho mpanongam-panjakana ry FAT.Ny mahagaga ahy dia ity : nanome sazy ny FAT ny Komity eropeanina na ny CEE nefa tsy nisy nihatra ireny fa mbola afaka niriharia hatraiza hatraiza ny mpitondra ary ny filohan'ny tetezamita aza moa dia noraisin'Ingahy Juppé mihitsy raha nandalo tany la frantsa ! politika daholo izany ! Ny frantsay dia tsy taitra loatra amin'ireny nataon'ny parlementera eropeanina ireny raha ny filazan'ny ambasadaorony nefa za dia manahy fa matoa nihemoytra rahampitso ny famohahan'ny SADC ny valinteniny dia ao raha ary izay dia mampanontany tena hoe sao dia mba nohon'ilay fehikevitra navoakan'ireo parlementera eropeanina no antony voalohany amin'izany

Asa lahy fa dia ho hita eo ihany saingy ny vahoaka no sahirana sy mijaly amin'izao kirizy politika izao,ny vahoka no mibaby ny vokadratsin'izao ary ny vahoaka no vizana mialoha amin'izao fa ny mpitondra ve !!!! ao ny mamoaka fiara vaovao manjelatra be,ao ny trao vaventy ny sasany aza mihodina amin'ny jet! Tsy mada raid tsony fa madajetskinautik hahahahahaha

sahotaka tsisy fiafarany !

ravatorano | 29 Oktobra, 2009 11:56

Vao tsy ela dia tonga indray ny fanambarana fa teraka izao ny firehana faha dimy izay Ingahy Monja Roindefo no mitarika azy satria olona nanohana sy avy ao amin'ny antokony avokoa ireo tena mpikambana mafana fo ao anatin'izany.

Atao inona ary io firehana faha dimy io ?

Raha ny fanazavana re tamin'ny famelabelaran-kevitra izay nataon'izy ireo omaly 28/10/2009 dia natao indrindra izy io hanohana sy hitondra ny hevitra rehetra nataon-dry zareo "mpitolona" teny amin'ny kianjan'ny 13 mai ireny.Ka moa ve tsy efa voasolon'ireo firehana Andrinirina Rajoelina izany ? Eo indrindra no mahasadaikatra satria tsapa fa mifanohitra sy mifanipa-kevitra ry zareo ireo amin'izao indrindra fa hatramin'ny nanalana an'Ingahy Monja Roindefo ho Praiminisitra ka nanendrena an'Ingahy Mangalaza hisolo azy.

Raharaha ity seza politika ity ! Vao tsy ela akory izay no nifampilokaloka ny hiara-dalana mandrakizay,ary tsy hisy mihitsy hahasaraka ilay fiarahana ka na ho rivo-doza aza tsy hahasaraka azy saingy indrisy mantsyfa tao anatin'ny ora vitsivitsy monja dia tonga ihany ny nampoizina efa hatri'ny ela,tonga ihany ilay efa neverina fa hiseho satria tsapa fa mbola tsy ampy tosika eo amin'ny fihantrehana ny tena "ketrika " ara politika ireo milaza fa tanora mpitondra ao amin'ity fitondrana tetezamita ity amin'izao fotoana izao.
Ny fampiasana ilay teny hoe "vahoaka" moa amizao dia tsy hay intsony satrai izay miteny sy mitonona dia milaza mahazaka vahoaka avokoa nefa rehefa tonga tokoa ilay fitsapana izany dia miharihary toy ny tafika andrefan-tanana ny olona mandatsa-bato ho andry zareo.Rehefa tsy mahomby amin'izay dia milaza indray fa tsy ara-dalana sy tsy ara-drariny ny fifidianana fa mila ovaina izatsy lalana izatsy mila amboarina ny sata toy izao mba ho fifidianana madio sy mangarahara no misy.
Minoa ahy anefa ianareo fa rah tsy lany na mahazo vato kely amin'izay fifidianana ho avy eo ry zareo mpilalao politika ireo izay mibahana sy mitondra ny fanjakana malagasy amin'izao dia hirongatra indray izy ireo hitaky ny hamerenana ny fifidianana mandrapaha lany azy.

SAhotaka tsisy fiafarany eto raha ho toy izany foana !

Nodimandry i Rado

ravatorano | 17 Septambra, 2008 10:51

Tany anaty taxibe aho no nandre ny vaovao omaly maraina raha nilaza ry zalahy ao amin'ny kidaoana maraina hoe maty i Rado.Taitra ihany ny tena ary tena nalahelo tokoa na dia hoe efa "nahavita ny fihazakazahany" aza izy amin 'izao fiainana mandalo eto izao. Tsy hay ny tsy hanoratra eto ny soa azo tamin 'iny ray amandreny iny indrindra teo amin'ny fikajiana ny teny malagasy.Mbola kely aho dia efa nankafy ny tonokalo nosoratan'i Rado ary isan'ny poety malagasy ankafiziko izy miaraka amin'i Dox sy ny Avana Ramanantoanina ary Ranja Zanamihaotra.Mbola kely aho dia efa nahalala an 'izany hoe Georges Andriamanatena izany tamin'ny alalan'ireo gazety HEHY nentin'i Dada isan'andro vakiana ao antrano fa sady fialam-boly no fanitaran-tsaina. Efa taty aoriana efa nahazo taona koa ny tena vao mba nahita maso sy nifanatrika taminy ary dia tena tsaroako tokoa izay andro izay satria olona lehibe eo amin'ny asa soratra malagasy no tojo ny tena ary niresaka tamin'ny tena izao momba ny ho avi'ny teny malagasy raha sendra namoaka ny bokiny "ZO" izy.Tamin'izany no nahitako fa olona mafinaritra izy,azo ifampiresahana tsara ary tsy mitsahatra mihitsy ny manome lesona na anatra momba ny fikajiana hatrany ny teny malagasy mba "hananatsika ny maha isika antsika" . Miombona alahelo amin'ny fianakavaiana manontolo ny tenako sy ny fianakaviako ary tombon-dalana ihany ny azy da samy mbola handia izany fahafatesana izanya vokoa isika Ny vatany no ho lo ny soratanany hijanona ho lova tsy manampaharoa hanbeazana ireo taranaka ho vanona Mandrià ampiadanana ianao ray amandreny RADO
1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb