ravatorano

ny mahatsara ny makany amin'ny reality rehefa avy ni virtuality ! hahaha!

ravatorano | 12 Novambra, 2007 10:29

ravatorano
Mbola maro ny namana no misalasala mihitsy amin'ny famojena ireny fihaoanana isan karazany karakarain'ny mpiserasera ara virtoaly ireny.
Vitsy ny ankizy no te hiseho mivantanana hoe ity aho mitondra ny ps toy izao.
Ny antony aloha mety maro dia maro fa tsy ho voatanisako eto sady izao ihany koa samy manana ny antony io ary samy mandeha amin'izay fantany fa mamapety ny fiainany
Fa izao nefa aza hadino fa rehefa tena tafaresaka sy tena tafiditra lalina amin'ilay fianeraserana ami'ny tranokala ianao dia mba manitikitika anao ihany ilay hoe mba toa an'iza ary ity na ireto olona mpiresaka amiko ireto !
dia raikitra ilay hoe mba andefaso sary e ! nefa eo mbola misy ahiahy ihany hoe sao dia tsy tena io izy ! hahahaha !
dia na te handroso aza mataotra ihany satria ao ilay antony tsy haiko hihihihihi
mahatonga anah miteny an'izany mantsy dia be ihany ireo izay mba renay izay hoe ho avy rehefa misy fihaoana nefa moa tsy tafa tampoka na tsy tonga indray nohon'ny antony maro samihafa
tsy omena tsiny zareo fa izay no fantany fa mety dia milay foana e sady izany koa tsy hanimbana ny fifaneraseranana ary ami'ny virtoaly kah !
fa na izany aza dia mba maniry hifankahita sy hifankahalala bebekoakoa amin'ireo namana rehetra fa tsara lavitra ange no mifanala ara realy nohon'ny ara virtoaly e

fambolena zanakazo teny Ambatofotsy

ravatorano | 12 Novambra, 2007 10:21

ravatorano
Raikitra indray izany zao ny fambolena zanakazo e
ilay nataon'ny namanan serasera dago teny ambatofotsy iny dia zanakazo fihinam-boa dia ny kaki izany no natao teny fa amin'izao mbola tsy tena ao anatin'ny fotoana fambole-kazo isika
na izany aza dia naka tombony ihany izahay namana tonga teny nanefa ny adidy
Ho avy tsy ho ela ny fambole-kazo eny Andranovelona izay efa misy toerana natao ho a'ny namana serasera dago mihitsy satrai isika efa mpikambana feno amin'ny fikambanana milasoa izay miezaka ny handrakotra azo maintso mavana an'ilay tendrobohitra lohavohitra io izay toerana ipoiran'ny eau vive sotroin'ny be sy ny maro iny
Misaotra anareo namana rehetra tonga teny
misaotra ny mpikarakara ny hetsika toa ireny fa mafinaritra e
misaotra an'ilay namana avy ao amin'ny foko ihany koa
dia misaotra anareo tonga mitsidika eto

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb