ravatorano

Nodimandry i Rado

ravatorano | 17 Septambra, 2008 10:51

Tany anaty taxibe aho no nandre ny vaovao omaly maraina raha nilaza ry zalahy ao amin'ny kidaoana maraina hoe maty i Rado.Taitra ihany ny tena ary tena nalahelo tokoa na dia hoe efa "nahavita ny fihazakazahany" aza izy amin 'izao fiainana mandalo eto izao. Tsy hay ny tsy hanoratra eto ny soa azo tamin 'iny ray amandreny iny indrindra teo amin'ny fikajiana ny teny malagasy.Mbola kely aho dia efa nankafy ny tonokalo nosoratan'i Rado ary isan'ny poety malagasy ankafiziko izy miaraka amin'i Dox sy ny Avana Ramanantoanina ary Ranja Zanamihaotra.Mbola kely aho dia efa nahalala an 'izany hoe Georges Andriamanatena izany tamin'ny alalan'ireo gazety HEHY nentin'i Dada isan'andro vakiana ao antrano fa sady fialam-boly no fanitaran-tsaina. Efa taty aoriana efa nahazo taona koa ny tena vao mba nahita maso sy nifanatrika taminy ary dia tena tsaroako tokoa izay andro izay satria olona lehibe eo amin'ny asa soratra malagasy no tojo ny tena ary niresaka tamin'ny tena izao momba ny ho avi'ny teny malagasy raha sendra namoaka ny bokiny "ZO" izy.Tamin'izany no nahitako fa olona mafinaritra izy,azo ifampiresahana tsara ary tsy mitsahatra mihitsy ny manome lesona na anatra momba ny fikajiana hatrany ny teny malagasy mba "hananatsika ny maha isika antsika" . Miombona alahelo amin'ny fianakavaiana manontolo ny tenako sy ny fianakaviako ary tombon-dalana ihany ny azy da samy mbola handia izany fahafatesana izanya vokoa isika Ny vatany no ho lo ny soratanany hijanona ho lova tsy manampaharoa hanbeazana ireo taranaka ho vanona Mandrià ampiadanana ianao ray amandreny RADO
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb