ravatorano

Categorie: Ankapobeny

Ny tondrozotra na ny ravindalana ilaina ny fampiharana azy malaky dia malaky !

Sarasara tsy ambaka daholo ary isika mianakavy mamaky eto e ! Iaraha mahalala izany fa dia nanao sonia ny tondrozotra na ravin dalana izay napetraky ny vondrona SADC ny mpanao politika malagasy.Ny tena mahalasa ny sain ny mpanara baovao dia ilay andalana faha 20 ihany e izay mikasika ny...

RAhampitso indray vao hamoaka ny tena heviny ny SADC mikasika an i Madagasikara !

Ela izay tsy nanoratako tamin'ity blaogiko ity zay;ny fotoana mihitsy no tsy nisy ary amizao somary manararaotra kely miditra eto. Henjana mihitsy mantsy amin'izao ny fandehan'ny raharaham-pirenena satria izay neverina mba hamihiratra ny fiainam-bahoaka indray amizao no mitavozavoza fitondra ka...

sahotaka tsisy fiafarany !

Vao tsy ela dia tonga indray ny fanambarana fa teraka izao ny firehana faha dimy izay Ingahy Monja Roindefo no mitarika azy satria olona nanohana sy avy ao amin'ny antokony avokoa ireo tena mpikambana mafana fo ao anatin'izany. Atao inona ary io firehana faha dimy io ? Raha ny...

Nodimandry i Rado

Tany anaty taxibe aho no nandre ny vaovao omaly maraina raha nilaza ry zalahy ao amin'ny kidaoana maraina hoe maty i Rado.Taitra ihany ny tena ary tena nalahelo tokoa na dia hoe efa "nahavita ny fihazakazahany" aza izy amin 'izao fiainana mandalo eto izao. Tsy hay ny tsy...

Bacc 2008 tohiny : Mbola mety hisy mpianatra ho afaka bakalorea indray zany raha izao no izy amin'ity taona 2008 ity !

Bakalôrea eto Antananarivo Mbola mety hisy mpianatra ho afaka Mbola mety hiampy indray izany ny isan-jaton’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo. Mbola mety hitombo ny isan’ny mpianatra ho afaka...

ny baccalauréat 2008 !

Vita ny fanadinana fa ny valiny no nandrasan'ny mpiadina tao anatin'ny fitaintainana .Izany dia vokatry ny fisalasalana nanobmoka teo min'ny "délibération" izay nolazaiana fa tsy ny mpampianatra rehetra no nisafidy azy.Iny eo ihany fa nanampy trotraka ihany...

Maro indry ny maty sy naratra tamin 'ilay lozam piafamoivoizana izay nitranga tany Ihorombe Ihosy omaly maraina

Ihorombe Mpandeha 10 maty tsy tra-drano   Nitrangan-dozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, omaly maraina tamin'ny 6 ora sy sasany, tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Kamiao lehibe iray mpitatitra legioma no niharan-doza tamin'izany, ka...

Nodimandry anio maraina Ingahy Herizo RAZAFIMAHALEO

Nodimandry anio maraina  ny Filoha Mpitarika ny Antoko Leader Fanilo izay Andriamatoa Razafimahaleo Herizo .Raha tsiahivina dia efa narary izy ary natao dialyse teny amin'ny Clinique Ilafy.Noho'ny fiombon'ny aretina nefa dia tafiditra atamin'ny "etat comateux" izy...

Tsy ho ela intsony dia ho hita izay hatao amin' ireo zaza siamois malagasy vao teraka farany teo !

Iray volana anio ny nahaterahan’i Mahalatsa sy Mahagaga, ireo zaza kambana miraikitra kibo avy any Amboasary atsimo, teraka tamin’ny 19 jona 2008. Mihamahazo aina ankehitriny izy roalahy satria efa nahatratra 4kg omaly ny lanjan’izy roalahy mitambatra, tao amin’ny...

Ravan'ny 15 Maki Malagasy ny Zebres avy atsy Botswanais teo amin'ny lalao rugby tamin'ny asabotsy lasa teo tetsy mahamasina

Resin'ny 15 Maki Malagasy tamin'ny isa mavesatra ny Zebre Botsowanais omaly raha nifandona teo Mahamasina ry zareo tamin'ny sabotsy lasa teo ary tamin'ny isa 45 nohon'ny 15 izany ! Hita fa niova tokoa ny fomba filalaon'ny Maki tamin ity indray mitoraka ity.Na ny mpilalao...

le petit Tombotsara Ambinidrazana est sauvé grâce à Diana Chama et beaucoup des gens !

Selon le Professeur Clément Andriamamonjy, chef de Service et traumatologue à l’Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona à Ampefiloha,Tombotsara Ambinindrazana a été operé avec succès le 10 Juin dernier. Il souffrait d’une...

Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

Araky ny vaovao reko tamin'ny radio Don Bosco anikeo maraian dia nisy fifanjevoana naharatrana mpianatra anakiray tao amin'ny Oniversité Barikadimy Toamasina omaly. Nifandona tamin'izany ny mpianatra avy any avaratra Antsiranana sy ry zareo avy any atsimo Toliary.Ny...

haverina indray izany ny fanagasiana

nisy gazety nivoaka omaly izay nilaza fa haverina ny fanagasiana. Vao niseho io dia maro indray no nioro-koditra hoe hiverindalana indray ve isika.Tena izany tokoa ve raha haverina ny fanagasiana ? amiko dia mila fandinihana lalina ny momba izany . tsy ratsy akory ny fanagasiana fa ilay...

fanafihana eny amin'ny lalampirenena fahafito !

Mitaintaina izay tsizy ny tena rehefa mandeha amin'iny lalampirenena fahafito iny mianga eto Antananarivo izany ka mipaka hatrany toliara. Ny tena atahorana aloha dia ny manelanelana an'Ambositra sy Fianarantsoa sady amin 'ireo toerana ireo no tena fanaovan dry ilay tsy vanonana...

fankalazana ny fetin'ny 26 jiona 2008 teny amin'ny lalampirenena fahafito iny !

Niainga maraian tamin'ny valo sasany teo fianarantsoa izahay ary hihazo an'antananarivo ny 26 jiona 2008 teo.Vao teo Ivoamba sy andohanisana ary Iboaka defa tomefy olona ny arabe , feno olona manao akanjo marevaka tokoa !Teo alakamisy Ambohimaha dia feno olona koa ny arabe ary nitohana...

Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

Raha nanao ny fivoriana mahazatra azy ny filakevitry ny governemanta dia nanendry an'Andriamatoa Jean Louis Robinson ho minisitry ny fanatanjahan-tena. Izy moa dia mpitsabo ary efa minisitry ny Fahasalamana teo aloha ary efa nitazona ny filohan'ny Holafitry ny dokotera malagasy....

fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

Efa velombolo avokoa ny olon drehetra amin'ny fahatongavan'ny fetin'ny 26 jiona izay ankalazana ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara.Ho vitsy ihany anefa ny akoho amam-borona ho ripaka aminj'ity taona ity satria vitsy koa ny olona mana katao hahavita hividy an 'izay...

manodidina ny fanampiana ny traboina !

tena nitondra takaitra mafy ho an'ny mponina teny amin'ny faritra iva tokoa ny fandalovan'ny andro ratsy na cyclone Ivan iny teto Madagasikara . Ny faritra iva moa no tena voa mafy teto Antananarivo. Deraina ny filoham-pirenena nitondra ny fanampiana ho an'ireo traboina...

mangina ny andron'ny roa janoary 2008

Andro fiasana anio roa janoary valo sy roa arivo. Mangina tokoa satria ny olona saika naka fialan tsasatra daholo (saika congé annuel avokoa). Ny taxi be zany dia tena malalaka ery,ny fitohanan'ny fiara dia ohatran'ny hoe nofy fotsiny fa dia malalaka ny arabe. Ny fako no...

tonga soa enao ra 2008

Na dia tao anatin'ny orana mikija aza no niandrasana ity taona vaovao ity dia mino aho fa tso-drano ihany izany ary ho taom-pahombiazana ho antsika mianakavy ra 2008. Eto dia mirary soa , fahasalamana,fahombiazana ho antsika namana rehetra izay mamaky ity lahatsoratra ity aho.Ho taona Zina...

tsara ny mialokaloka !

toy izao izahay rehefa mialokaloka avy namboly hazo ! toy izao koa izany no tombotsoa voalohany azo avy amin'ny fambolena zanakazo raha fihinamboa moa izy dia sady azo ialofan no azo hohanina ny voany ! koa amin'izao fisokafan'ny taom-pambolena zanakazo izao dia tsara ny...

fandalovana tany amin'ny faritra atsimo andrefana iny !

Sendra mba nandalo nanao fitsidihana kely naharitra herinandro tany amin'iny faritra atsimo andrefana iny ny tenako tamin'ity herinandro mifarana ity. Ny tsapako voalohany indrindra dia ny hafanana satrai vao teo amin'ny fitodiam piaramanidina fotsiny teo Morondava ny tenanay dia efa...

Tsapa sy hita izao fa tsy azo hamaivanina intsony ny tanora eo amin'ny lafiny ara politika

Na dia mbola tsy ofisialy aza ny fandresena miezinezina nobatain'ny Tanora malaGasy Vonona teo andrenivohitra dia hita sy tsapa ary azo lazaina fa tsy azo atao ambanin javatra intsony izany izao ny hevitry ny tanora eo amin'ny safidy ara politika. Nisy fitomboana ny fahavitrihana...

lasan'ny Tanora malagasy vonona sy i Andry Rajoelina izany ny fandresena teto Antananarivo

http://www.mira.gov.mg/election/resultat-communal-region-antananarivo.php?c1=1&c2=1 Io zany ny site an'ny ministeran'ny atitany ahafahanao mijery ny vokatra teo antananarivo renivohitra fa tsy dia asiana komentera tsony e fa dia lasan'ny tanora malagasy vonona ny tanana

hijery fety sa hiatrika propagandy

maro ireo olona tonga amin'ireny famoriana ho an'ny fampielezan-kevitra ireny manontany tena hany aho hoe hijery fety ve ny olona sa hiatrika fampielezan-kevitra raha ny olona tonga teny antsonjombe omaly izay aloha dia aoka fotsiny raha ireny marina no hifidy an'Ingahy Andry...

raikitra indray ny fifidianana sy ny kalxon lavareny eraky ny tanana

Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Ben'ny tanana eto Madagasikara.raikitra indray izany ny famoriana vahoaka sy ny fizarana tee shirt maro loka e ! Niainga tsara izy omaly raha ny teto Antananarivo Renivohitra no jerena sady ny tena ihany koa nivezivezy...

mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

raha vao miditra cyber enao ka mitopy amin'ny olona manodidina anao sy izay zavatra ataony eo dia izao foana no miseho injinja raha vehivavy na tovovay ilay olona eo akaikinao : mijery site de rencontre izy ary dia raikitra ao mitsaty,mifanoratra mailaka sns e ! Za tsy miteny hoe ratsy...

mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

raha vao miditra cyber enao ka mitopy amin'ny olona manodidina anao sy izay zavatra ataony eo dia izao foana no miseho injinja raha vehivavy na tovovay ilay olona eo akaikinao : mijery site de rencontre izy ary dia raikitra ao mitsaty,mifanoratra mailaka sns e ! Za tsy miteny hoe ratsy...

maro no mimenomenona amin'izao satria.....

  maro no tsy nanampo mihitsy satrtia sondraina tamin'ny kabary politika ary tsy nahay nanavaka ny  tena marina amin'ireny kabary ireny sy ny zava hisy sy misy amin'ny fiainana diavin'ny firenena Madagasikara dia nosy ary tsy afaka misaraka amin'izao tontolo...

ny mahatsara ny makany amin'ny reality rehefa avy ni virtuality ! hahaha!

Mbola maro ny namana no misalasala mihitsy amin'ny famojena ireny fihaoanana isan karazany karakarain'ny mpiserasera ara virtoaly ireny. Vitsy ny ankizy no te hiseho mivantanana hoe ity aho mitondra ny ps toy izao. Ny antony aloha mety maro dia maro fa tsy ho voatanisako eto sady...

fambolena zanakazo teny Ambatofotsy

Raikitra indray izany zao ny fambolena zanakazo e ilay nataon'ny namanan serasera dago teny ambatofotsy iny dia zanakazo fihinam-boa dia ny kaki izany no natao teny fa amin'izao mbola tsy tena ao anatin'ny fotoana fambole-kazo isika na izany aza dia naka tombony ihany izahay...

Aleo atao amposy ny vola hanaovana vacance

Miakatra indray ny solika ary efa any amin ny telo arivo ariary any.Noho izay dia nampiakatra ny saran dalana ihany koa ireo mpitatitra amin'ny zotra nasionaly sy rezionaly rehetra eto amin'ny firenena.Eo amin ny 35% ka hatramin 'ny 45% izany fiakarana izany raha ny tsikaritro aloha raha sendra...

inona no atao reefa azo ny baka na baccalauréat

voaloany injinja kalouh d we hianatra eny amin ny oniverisité.Ho an ireo saragan olotsotra dia ny oniveristé panjakana no hidirany ary ny manakatao dia afaka miditra ami ireny institut marobe andoavambola ireny. Amizao fotoana izao dia maro ny tanora no manana diploma , manana ny...

Tonga soa ravatorano!

Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity. Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb