ravatorano | 02 Janoary, 2008 06:45
Na dia tao anatin'ny orana mikija aza no niandrasana ity taona vaovao ity dia mino aho fa tso-drano ihany izany ary ho taom-pahombiazana ho antsika mianakavy ra 2008.
Eto dia mirary soa , fahasalamana,fahombiazana ho antsika namana rehetra izay mamaky ity lahatsoratra ity aho.Ho taona Zina ho antsika anie ity taona ity !
Ny mampalahelo dia ny fitomboan'ireo traboina eto antananarivo izay eo ami'ny zato isa isan'andro eo araky ny vaovao navoakan'ireo mpikarakara izany satria niakatra betsaka ny rano ary fefika ny tanana ambany hono izany.
Na izany aza dia tsy mbola atahorana hono ny tena fiakaran'ny rano sady mba tsy avy koa ny orana omaly naraina sy ny tolak'nadro fa mba nanaja ny voalohan'ny taona ny ranonorana ka mba niato kely izy izany e
Izany fahabetsahan'ny orana izany dia vokatr'ilay rivo doza mananontanona an'i madagasikara avy any atsimo andrefana any any akaikin'i belo sur tsiribihina any, avaratra an'i morondava any , soa lahy fa efa aty antananarivo ny tenako fa sahirana raha notratran'izany tany ampanaovana asa tany morondava tany marina moa ouh !
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
« | Desambra 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |