ravatorano

Ravan'ny 15 Maki Malagasy ny Zebres avy atsy Botswanais teo amin'ny lalao rugby tamin'ny asabotsy lasa teo tetsy mahamasina

ravatorano | 14 Jolay, 2008 05:07

Resin'ny 15 Maki Malagasy tamin'ny isa mavesatra ny Zebre Botsowanais omaly raha nifandona teo Mahamasina ry zareo tamin'ny sabotsy lasa teo ary tamin'ny isa 45 nohon'ny 15 izany !
Hita fa niova tokoa ny fomba filalaon'ny Maki tamin ity indray mitoraka ity.Na ny mpilalao aza dia niova koa satria nampiditra ireo mpilalao vaventy toa andry Douglas sy ry Ibrahim ry zareo teo amin'ny lohalaharana na ny "avant".
Ary dia mbola tamin ity lalao ity koa no nahitana baolina nentitanana ka ny avant ireo goavan no nahavita izany .Io baolina io dia nentin'i Ibrahim ary nofaranan'i douglas tamin'ny tanjaka be mihitsy.Tena nilay ny nahita izany satria sambany hoy aho.
Ny gazety miseho isan'andro nivoaka androany dia inoako fa hilaza sy hitantatara io vokatra io.
Ny nahatonfa ny baolina enti tanana na essai moa dia ry Ibrahim,Bienvenu(Bien),Edgar(Douglas),Sidonie(Biby),ary tsy adino ny mpitsara baolina dia i José.
Nahazo bonus isika malafasy satria nahavita essai nihoatra ny efatra ary isika izao no voalohany ao amin'ny goupe misy an i Botswana,Ouganda ary Madagasikara.
Any Ouganda indray ny fihaonana manaraka amin'ny volana aogositra ho avy izao ary mila manao sahala isika dia afaka hilalao ny dingana manaraka indray amin'ny fifanintsanana amin'ny CAN sy ny coupe du monde ho avy izao.
Misaotra ny mpijery tonga marobe nanohana ny ekipa, misaotra ny mpilalao nitondra fandresena ary koa ny mpanazatra ,misaotra ny mpanohana rehetra ihany koa e !
Ho ela velona anie ny Maki Malagasy
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb