ravatorano | 04 Septambra, 2008 07:47
Mbola mety hiampy indray izany ny isan-jaton’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo.
Mbola mety hitombo ny isan’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo. Nanao fanambarana, tao amin’ny RNM sy TVM mantsy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Ny vontoatin’izany dia ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hanamarina indray ny naotin’ny mpianatra niatrika bakalôrea farany teo. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nafonja ny delegasiôna nihazo ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, satria nanotrona ny minisitra mpiahy ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, ny minisitra lefitra misahana ny fampianarana ambony, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Midika izany fa raha toa ka nisy naoty nifandiso dia hisy mpianatra ho afaka bakalôrea indray. Nanome toky anefa Rtoa minisitra fa tsy hokitikitihina intsony ireo mpianatra efa afaka.
Tsy mifampatoky ?
Azo antoka fa hahafaly izay mpianatra efa tsy afaka ary ho afaka indray sy ny ray aman-dreniny, indrindra hahababo ny fon’izy ireo izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany anefa izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny anivon’ny oniversite, izay nilaza ho tsy nahalala akory ny fanapahan-kevitra raha tsy efa nahare izany tamin’ny haino aman-jerim-panjakana.
Manoloana izany dia manitikitika ny saina ny hoe: tsy mifampatoky ve ny minisitera sy ny oniversite? Efa re siosio ihany mantsy fa nisy mpanara-maso tamin’ireny fotoana nitsarana ny fanadinana ireny.
Amin’ny lafiny iray kosa anefa, noho ny feo maro nandeha mikasika ny fivadibadihan’ny naotin’ny mpianatra dia nandray andraikitra hanazava ny sain’ny maro izany ny minisitera mpiahy.
V.R.
gazetiko
04/09/2008
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
« | Novambra 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | |||
5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
26 | 27 | 28 | 29 | 30 |