ravatorano | 30 Jiona, 2008 15:31
Niainga maraian tamin'ny valo sasany teo fianarantsoa izahay ary hihazo an'antananarivo ny 26 jiona 2008 teo.Vao teo Ivoamba sy andohanisana ary Iboaka defa tomefy olona ny arabe , feno olona manao akanjo marevaka tokoa !Teo alakamisy Ambohimaha dia feno olona koa ny arabe ary nitohana mihitsy aza moa nandritry ny atsasakadiny mùahery satria nandalo teo tamin' izay ny mpianatra hanao "defilé" arahin'ireo kartie mobily .Toy izany koa ny teo Ambohimahasoa izay vao lavidavitra ny tanana defa re mitatatata ny fanamafisam peo amin 'ireo hira betsileo mihetsiketsika tokoa ary dia efa raikitra ny fandihizana antsena sy ankalamanjana na dia efa atoandro be aza !
Teo amin'ny commune rurale Camp Robin no tena nahafinaritra no nijery ireto kartie mobile amin'ny famamiana maitso tanora vaovao be arahin'ny kapa kiranyl mainty izay vaovao koa.Ny zandary efadahy eo anoloana milanja ny basy sy ny sainam-pirenena ary mamarana ny filaharana ny mpianatra ao amin'ny EPP sy ny ceg.Zany tokoa ny fety sy matso anyAmbanivolo rehetra any ary tamin' iny lalana iny dia nitovy tamin 'izay avokoa na ny teny ambalamanakana , na ny teny ambatofitorahana, na teny Ivato centre koa aza .
Ny tena nitovizany koa dia feno olona mamo ny toerana rehetra izay nolalovina ary raha mirafarafa mandeha mafy ianao dia atahorana hanao accident fa be no mivembena eran'ny lalana ka dia naleo nilamina hatrany fa ny tonga ihany no noharabaina.
Efa tolak'andro izahay no nandalo an'Antsirabe rehefa vy nisakafo teo Soavina.Ny tena nahagaga dia tsy nisy hotely nivoha tamin'iny lalana iny fa fety ny andro ka nikatona avokoa ry zareo hany ka sarotra be vao nahita hanina ny tenanay.
Nanomboka teo Ambositra no niakatra aty Antananarivo dia efa hafa indray ny hetsika amin'ny fety satria efa misy ny "podium" natokana ho amin'izany ka tsy tazana eran'ny lalana intsony ny vahoaka hitanjozotra toy ny tany antsimo fa efa samy mahita ny toerana halehany avokoa.
Za manokana dia nahita fa nilamina iny fety ary nahafinaritra ny tena satria zava baovao no hita na dia fahoriana aza no nidinana tany fianarantsoa sy ni niakarana taty Antananarivo !
Nitondra fakan tsary ihany fa tsisy pellicule ilay fakatsary numerika dia low bat dia tsy nahazo fa najavona avokoa izay nalaina nefa tena tsy ahita ny toy ireny impiry intsony !
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
« | Desambra 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |