ravatorano

fifidianana filoha mpirenena 25 ocotbre 2013

ravatorano | 30 Oktobra, 2013 06:47

Inona ary no azo lazaina amin izao vaokapifidianana amin'ny ampahany vitsivitsy izao :

° ny CENIT aloha dia nanao ezaka tokoa nahafahana nanatontosa iny fifidianan iny na dia maro aza no azo kiainina tamin ireo fomba fiasan dry zareo teo amin ny fanaovana ny fanisana isan tokatrano.Manome ohatra fotsiny aho hoe teoa aminay izao dia nisy olona tsy teo fa niasa avokoa ny mpifidy ao amin ilay trano efa nolazaiko mba hiverina ny hariva na ny maraina be ireo mpanisa fa tsy nipoitra intsony! izay anefa no asa nampiandraiketina azy ireo mila fahamatorana be ny manao an io asa fanisana io mba hahazahoan ny olona manana ny kara pifidianany !

° ny teo amin'ny fanjakana indray dia izao : ny fokotany no tena nianjadian ilay fizarana ny karapifidianana izay tonga tara.tsy ampy ny fanentanana teo amin'ny fanaparitahana izany karatra izany sy indrindra ny fijerevana ilay lisitra raikitra mba hahalalana na tena voasoratra ao ianao na tsia.Izahay izao tsy nahavita fanisana teto amin ny fokotany nefa nanao ilay fanisana nataon ny cenit dia tafiditra tao ihany ny anarana ary nahazo karatra ho mpifidy soa amantsara !

° teo amin ny birao voatondro hifidiananay aloha dia nilamaina na dia tsy nandray anjara aza ny tenako fa kosa tonga teo ny hariva mba hijery ny fanisam bato sy ny voka pifidianana ! nahagaga ahy tokoa ilay izy satria raha ny propagandy nisy tety amin ny fokotaninay dia tsy nahita afatsy ny solotenan'ny kandidà Hajo,Edgard,Camille vital,Hery vaovao,ary Rolland ny tenako.Ireo no nanao fampielezan-kevitra tety sy nizara tee shirt ary nitaona olona hamonjy fara doboka tamin'ny andro farany.Gaga aho rehefa vita tanteraka ny fanisambato tamin ireo birao enina fa resin ilay laharana faha 33 dokotera robinson tamin ny 20-30% teo ireo kandida voatonona tetsy aloha ireo?Tsy azoko sa izay ilay hoe "ilay iraika lahy taloha"

Ety vinany loharanombato  kaominina Ambavahaditokana distrikan'Itaosy no misy anay ;

°ho anareo mpanao politika indray dia hita miharihary izao fa mbola maro ny malagasy na ny vahoaka mankafy an ingahy ravalo satria ilay laharana 33 dia noho izy no mahatonga azy amin io toerana misy azy izao io amin izao ! sa koa ve izany ilay antsoina hoe nanao "vote sanction" antananarivo ! asa aloha .Ny hita miavaka koa dia ny fandresen ireo kandidà hafa any amin ny faritra nihaviany avy toa andry Julien Razafimanajato any Sofia ry Voninahitsy any melaky sns...

Tsy maintsy hisy ny fiodinana faharoa ary mbola ampahefatry ny tena vokapifidianana izao voaray izao ka mety mbola betsaka ny zavatra hiova .

Anjaratsika malagasy indrindra ny fanjakana manana ny fahefana no milaza fa tsy maintsy hampidirina amin'ny lisi pifidianana ireo olona tokony hifidy nefa tsy tao ny anarany fa tsy ny olona avy any ivelany toa an dramatoa Fatima samoura no  sahy hilaza fa "azy ny azy fa efa nomena fotoana malalaka hijery sy hikarakarana ny mikasika ny fanisana sy ny fisoratana anarana ny vahoaka malagasy ka raha tsy ao ny anarany dia tsy afaka mifidy izy amin ny fiodinana faharoa".Asa anefa fa toa fanjakana manarka ambokony be fahatany ihany ty mijoro ity ary efa hita izany tao ho ao !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb