ravatorano

mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

ravatorano | 15 Novambra, 2007 09:58

raha vao miditra cyber enao ka mitopy amin'ny olona manodidina anao sy izay zavatra ataony eo dia izao foana no miseho injinja raha vehivavy na tovovay ilay olona eo akaikinao : mijery site de rencontre izy ary dia raikitra ao mitsaty,mifanoratra mailaka sns e !

Za tsy miteny hoe ratsy izany fa ny antony araky ny fanadihadiana dia maro amin'ny tovovavy malagasy no te hanambady vahiny na firy taona izy na firy na tiany io tsia mba hahafahany miala eto ka hiondranany any ampitan-dranomasina any satrai any hono miasana sy milamina kokoa ny fianany noho'ny eto sady leo tebiteby sy fahoriana lava izao hono ry zareo !

Mbola ny fanadihadiana ihany no nahitako fa ny tovovavy eo amin'ny 23 taona ka hatramin'ny 35 taoana eo no tena voasarika amin'izany ary misy aza ry zareo efa manana ny olotiany ??? nefa moa atao ahona fa izay angah ilay hoe fitadiavana tsy mahazaka maniraka satrai lasa fitadiavana ilay izy : fitadiavana vady mba hitadiavana vola vahiny hahafahana manampy ny aty an-tanana na hahavitana trano aty fara faharatsiny

soa aza zareo izay reko lasa any mba mieritreritra an'izay koa fa raha toa ny sasany izay voalaza ihany koa fa tsy antany tsy amparafara fa tratran'ny lango sy lainga marivo tototra teo dia roboka kay rehefa tonga tany lasa "nadevo-pitiavana" tsotra izao hany ka nidi-droa ohatran'inona moa e........Nampalahelo

Farany mba asio fisainana ihany ry zareo ny momba an'izay an fa tsara lavitra ny mieritreritra sy mandinika alohan'ny hanaovana sy hirosoana amin'ilay izy !

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb