ravatorano

mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

ravatorano | 15 Novambra, 2007 09:58

raha vao miditra cyber enao ka mitopy amin'ny olona manodidina anao sy izay zavatra ataony eo dia izao foana no miseho injinja raha vehivavy na tovovay ilay olona eo akaikinao : mijery site de rencontre izy ary dia raikitra ao mitsaty,mifanoratra mailaka sns e !

Za tsy miteny hoe ratsy izany fa ny antony araky ny fanadihadiana dia maro amin'ny tovovavy malagasy no te hanambady vahiny na firy taona izy na firy na tiany io tsia mba hahafahany miala eto ka hiondranany any ampitan-dranomasina any satrai any hono miasana sy milamina kokoa ny fianany noho'ny eto sady leo tebiteby sy fahoriana lava izao hono ry zareo !

Mbola ny fanadihadiana ihany no nahitako fa ny tovovavy eo amin'ny 23 taona ka hatramin'ny 35 taoana eo no tena voasarika amin'izany ary misy aza ry zareo efa manana ny olotiany ??? nefa moa atao ahona fa izay angah ilay hoe fitadiavana tsy mahazaka maniraka satrai lasa fitadiavana ilay izy : fitadiavana vady mba hitadiavana vola vahiny hahafahana manampy ny aty an-tanana na hahavitana trano aty fara faharatsiny

soa aza zareo izay reko lasa any mba mieritreritra an'izay koa fa raha toa ny sasany izay voalaza ihany koa fa tsy antany tsy amparafara fa tratran'ny lango sy lainga marivo tototra teo dia roboka kay rehefa tonga tany lasa "nadevo-pitiavana" tsotra izao hany ka nidi-droa ohatran'inona moa e........Nampalahelo

Farany mba asio fisainana ihany ry zareo ny momba an'izay an fa tsara lavitra ny mieritreritra sy mandinika alohan'ny hanaovana sy hirosoana amin'ilay izy !

 

Hevitra

Re: mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

lap | 15/11/2007, 12:20

Reportage koa no hitako, fa raha ny frantsay dia mandeha be koa io site rencontre io amin'izao. Fa hafa ny azy no fitrangany :
2/3 an'ny clients hono no lehilahy daholo, na dia mila mandoa vola betsaka kokoa aza ny lehilahy noho ny vehivavy. Gaga aho nandre an'io. Ary misy site de rencontre frantsay amboarina ao Antananarivo ao.

Efa nisy fanadihadiana tamin'ny herintaona koa, fa resaka anglisy indray, hoe mandany 5000€ isan-taona hono ny bandy selibany anglisy hitadiavam-bady.

Amin'ny tany mandroso izany ny bandy no tena mitady, amin'ny tany mahantra indray ny sipa no tena mitady. Ko inona izany fa tsy tafaray ao ny tia sy ny manina! loza ity!

Re: mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

Mampitaha | 15/11/2007, 21:38

Ka zah mandinika de antony roa no mahasarika ny tovovavy malagasy @ hanambady vazaha:
1/ antony ekonomika: mba te-hanana avenir sy stabilité ekonomika fa Dago tsy hita antenaina fa dia miaina ka miaina
2/ antony sentimental: @ ankapobeny ity resahiko ity sao misy tezitra ny lehilahy: tsy azo antoka ny tovolahy gasy (na ny efa mahazo taona aza e!) fa dia ara-bakiteny ny hoe hatreo am-baravarana izy no anao fa any ivelany ikambanana @ hafa. Tsy miteny aho hoe tsy mampirafy ny lehilahy vazaha fa ny lehilahy gasy presque lasa akoho daholo! De leo voadona lava le fokelin'ny ankizivavy dia manandrana sao mahita vazaha manaja sy manome fitiavana!

Re: mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

simp | 17/11/2007, 22:30

mbola tsy henonareo nga le hoe "love is business" :)

Mampitaha,
samy tompon'andraitra @ fianana sy fitiavana ao antokatrano doly na ny lahy na ny vavy k.

Tsy mampaory ny lelah malagasy anefa na mitady vazah aza ny sipagasy. Ra izay no mahasambatra azy in no olana. De tte facon, ra misy 10.000/an no lasan'ny vazaha mbola misy 9M mijanona hoan'ny bandy gasy zany donc, relax and be happy ;-)

Re: mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

ikalamako | 18/11/2007, 02:18

iray mibaraka, folo manaraka ra-simp an ! :-P

Re: mahazo vahana tokoa izao ny site de rencontre ireny eto madagasikara

ravatorano | 19/11/2007, 10:03

ravatorano

fa mino ve ary nareo fa ny sipa manambady vahiny dia tena miadana avokoa amin'ny lafim-piainana rehetra noho izy manambady malagasy mitovy aminy ???
tsy amin'ny ankapobeny kosa ry mampitaha ny tovolahy malagasy no mampirafy ah fa mba teneno kosa hoe ny sasantsasany satria io ange ka tsy maintsy olona roa vao mety e zany hoe raha mampirafy ilay bandy na kofa na antitra io na tanora dia manaiky aiza ilay tovovavy na ramatoa ampirafesiny ami'ny vadiny izay lazainareo fa voadona !
sao aloha fa ny bandy akama rehetra eto amin'ity namana serasera dago ity izay fantatro mbola tsisy nampirafy izany indrindra fa ny sipa !
soa ihany !

raha iray no lasa arivo mitady toerana tokoa e !dia tena marina v zany ry ikalamako ???

Bloagy Malagasy Tsara indrindra

joan | 25/11/2007, 08:45

Manaona ô,

Nisy mpamaky nampiditra an'ny bloginao ho Blaogy Malagasy Tsara Indrindra tao amin'ny http://www.bestofmalagasyblogs.com ou BOMBS.
Azo vakina ny momba momba an'io fifaninanana io. http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m474478d413f52 eto

Ary manasa anareo rehetra hanome zay blaogy hitanareo fa tsara indrindra . Io BOMBS io moa dia atao hampahafantarana ny Blaogy Malagasy efa maro be ary mifarana amin'ny 31 desambra 2007.

Aza adino ary mametraka BOMBA B!

Bizzzzz

__________

Bonjour,

Votre blog a été nominé pour être selectionné parmi les Meilleurs Blogs Malgache pour les BOMBS. http://www.bestofmalagasyblogs.com

Vous trouverez des informations concernant les règles et les différentes catégories de blog sur notre site web. Et vous pouvez aussi profiter pour soumettre vos blogs préférés !

Le but de ce concours est de mettre en valeur la qualité et la diversité de la Blogosphère Malgache. Alors n'oubliez pas de venir lâcher vos Bombes !!

Bizzzz, Joan

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb