ravatorano

raikitra indray ny fifidianana sy ny kalxon lavareny eraky ny tanana

ravatorano | 28 Novambra, 2007 04:33

Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Ben'ny tanana eto Madagasikara.raikitra indray izany ny famoriana vahoaka sy ny fizarana tee shirt maro loka e !

Niainga tsara izy omaly raha ny teto Antananarivo Renivohitra no jerena sady ny tena ihany koa nivezivezy nandehandeha omaly ka nahita sy nifanojo tamin'ireo mpanao fampielezan-kevitra ireny.Nisy nanome tee shirt mihitsy aza ny tenanay ary dia misaotra azy fa hividy aza atao !Wink

Kandidà telo aloha hatramin'izao no tena nanao ny fampielezan-keviny omaly dia Ingahy Rafalimanana Hery PDS amin'izao fotaoan izao izay an'ny TIM,tao koa Ingahy Rajoelina Andry na i *Andry TGV, ary ilay akiray dia Ingahy Ramiarinjatovo izay ben'ny tananan'Alasora fahiny fa nirotsaka indray eto andrenivohitra.
Vao manomboka ity ny fandehany fa ny tsikaritra aloha dia misy amin'ireo artista malaza no mitaona sy nankalaza an'Ingahy Andry TGV omaly ary naneho hevitra mihitsy ny mba hanohanana azy dia i Lola ,Tovo jHayNary ao amin'ny tarika Zay,i Melky .......

Ingahy Rafalimanana kosa dia notronon'ireo mambra ao amin'ny birao politikan'ny antoko Tim teo amin'ny auditorium Ankorondrano ary nahavory olona tim marobe tokoa

 

Amizao fotoana dia iadivana tokoa ary tena ifandroritana ny mitaona ny tanora satria ny tanora no ho avin'izao firenena izao.Samy manao izay ho afany amin'ny fakana ny vaton'ireny tanora ireny amizao.

Milamina sy nizotra ara dalana aloha ny omaly ary irariana mba ho toy izay foana mandrapahatongavan'ny 11 decembre hifaranan'ny propagandy

 

Hevitra

Re: raikitra indray ny fifidianana sy ny kalxon lavareny eraky ny tanana

ikalamako | 28/11/2007, 11:31

T-Shirt entiny mi-dodo ve ry zoky ravatorano ?
Izahay manko nahazo vrac be tamin'ny ilay menamenan'ny arema fa niverimberenanay foana ny mpizara, fa hividy aza atao amin'ny teninao.
Dia mbola miara-matory amin'ny tim amboary ny làlana koa izao fa mba misy mandefa voan-dàlana hono dia ireny no alefany tsinona dia aleo mba ampiasaina fa fanomezana koh !
Afaka atao hoe "que le meilleur gagne" ve ny firariana ny mpifaninana ? :-P

Re: raikitra indray ny fifidianana sy ny kalxon lavareny eraky ny tanana

lap | 28/11/2007, 13:56

Ary matanjaka ihany ilay Andry TGV zany an !

Re: raikitra indray ny fifidianana sy ny kalxon lavareny eraky ny tanana

ravatorano | 29/11/2007, 10:20

ravatorano

ikalamako < izay mihitsy e
zara aza misy manome kouh hividy aza atao !
za aloha ato efa manana anakiroa e karazany roa ary tena marina ny anao hoe ke le meiérra mandresy hihihihihi
sady zao za eny antsimondrano no mifidy fa ny tee shirt-ko aty antananarivo renivohitra daholo hahahhahah

lap < matanjaka mihitsy izy kah ary tena nivonona ny hanao fampielezan-kevitra amin'ny ara dalana tokoa fa midina eny amin'ny fokotany mihitsy ary mihaino izay lazain'ny mponina eny rehetra eny.
Fa na izany aza ny candidat hafa koa manao toy izay ary tsy mipetrapetra potsiny fa tena amperiny tokoa !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb