ravatorano

Tsapa sy hita izao fa tsy azo hamaivanina intsony ny tanora eo amin'ny lafiny ara politika

ravatorano | 13 Desambra, 2007 10:42

Na dia mbola tsy ofisialy aza ny fandresena miezinezina nobatain'ny Tanora malaGasy Vonona teo andrenivohitra dia hita sy tsapa ary azo lazaina fa tsy azo atao ambanin javatra intsony izany izao ny hevitry ny tanora eo amin'ny safidy ara politika.
Nisy fitomboana ny fahavitrihana nifidy,nisy fitomboana ihany koa ny tanora feno taona afaka nifidy ary izany rehetra izay dia ahafahana milaza fa be tamin'izy ireo no nadrotska ny vatony ho an'i Andry Rajoelina ka nahazahoany an'ireny isanjato avobe ireny satria dia nilaozany lavitra tokoa ny mpifaninana aminy.

Izao koa dia hita fa tokony hipetraka hisotro ronono amin'izay ireo "dinausore" mpilalao politika eto amin'ny tanana fa lasa mikobaka ambava fotsiny fa tsy mahavita ny tokony hataony rehefa tonga eo ami'ny toerana misy azy

Lany izany zao ry zareo ao ami'ny TGV koa dia miandry isika,miandry aza hiasa ary hiara hiasa aminy ho falmpandrosoana ity renivohitry ny malagasy rehetra ity,hiara hiasa miny hoy aho fa tsy hanao sakatsakana indray amin'izay teti panorona hitany fa hampandroso haingana ny tanana

Mino aho fa hiara hisalahy hatrany ny commune sy ny fanjakana foibe amin'ny fampandrosoana ny tanana indrindra fa ny renivohitra

Ry zareo tim izany zao teto Antananarivo no tratran'ny premier tour dia vita indray tamin'ity ah

atao ahona fa kodiaran tsarety ny fiainan ka rehefa eo amin'ny toeran ianao mahaiza manararaotra manasoa ny vahoaka e

 

Hevitra

Hevitr'i Ralay Dolpika

Ralay | 20/12/2007, 08:14

Ny fitombon'ny mponina eto Antananarivo renivohitra sy ny fifindra-monina mankaty an-drenivohitra dia mila asiana maso manokana.
--> Maro ny fonenana tsy zarizary,malalaka ny tanana manodidina an'Antananarivo renivohitra
Ny tsena izao no tena hitako fa hilana fijerana manokana hoan'i Andry,satria nazava tsara ny teny nolazainy fa tsy hifanenjika amin'ny mpivarotra eny amoron'ny arabe hono izy.
--> Alefa aiza ireo mpivarotra ireo nefa ireny mpivarotra isaky ny iray metatra no marika fa tany mahantra i Dago
A

Re: Tsapa sy hita izao fa tsy azo hamaivanina intsony ny tanora eo amin'ny lafiny ara politika

ravatorano | 22/12/2007, 11:04

ravatorano

marina tokoa aloha izay e
ny fanitarana ny tanana'Antananarivo dia tokony hataon'ny ben'ny tanana vaovao vain doha raharaha mihitsy mba hisian'ny filaminan'ny tanana
ireo mpivarotra moa dia efa ela no nilazana azy fa hisy tsena isaky ny fokotany ary hisy fanitarana ireo tsena efa misy ka tsy tokony hivarotra eny amoron dalana intsony ny olona
io koa dia ny toe-tsaina no tena mitondra azy satria misy olona milaza fa tsy mahalafo mihitsy raha tsy eny analakely no mivarotra na eny amoron-dalana
mila miova ny toe-tsaian traha tena te handroso sy hampandroso miaraka ny tanana ny mponin'Antananarivo

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb