ravatorano

fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

ravatorano | 23 Jiona, 2008 09:01

Efa velombolo avokoa ny olon drehetra amin'ny fahatongavan'ny fetin'ny 26 jiona izay ankalazana ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara.Ho vitsy ihany anefa ny akoho amam-borona ho ripaka aminj'ity taona ity satria vitsy koa ny olona mana katao hahavita hividy an 'izay amin'izato fahalafosany.Tsy izay anefa no tiako hambara eto fa momba ny mantso izay tontosain'ny tafika ho fanomezam-boninahitra io fety malaza sy manatantara io.Tsisy izay tsy nahare angamba fa nandeha bb eto amitsiska eto Madagasikara fa hatao any Toamasina ny matso lehibe izay fanao eo Mahamasina.Hatramin'izao aloha dia mbola siosio izany ary resaka miely fotsiny fa tsy tena mari pototra nefa mampisy fanontaniana ihany satrai nahoana hoy ianao : eto Antananarivo aza ny tafika mitambatra mbola tsy nanao famerenana teny Mahamasina na dia efa tokony ho nanao zany teny aza zareo araky ny efa fanaony isan-taona.
Ny mpikarakara ny lanonana toy izao dia mbola tsy nandrenesan-teny ihany koa momba izany.Ny lehiben'ny faritra Antsinanana moa dia nilaza ihany koa fa mbola tsy nahare sy nahazo baiko hikarakra ny lanonana any toamasina.
Ka aiza ihany ary no hatao io mantso io ?
Mety gaga isika hoe inona moa izay mantso ? na aiza io na aiza no hanaovana azy ve tsy mitovy ihany? na any manakara io no atao na any antsirabe na any vohiposa na anay morondava na any antsiranana na toamasina moa ve tsy eto Madagasaikara ihany ?
Marina izay fa tanana eto Madagasikara daholo ireo voatanisa ireo ary tsy amapahafiriny aza ireo.
Aza hadino nefa fa na aiza na aiza eran-tany dia ao amin'ny renivohitry ny firenena iray no ankalazana sy hanaovana ny matso lehibe fanaon'ny tafika ao amin' ilay firenena.

Dia ho sanatria ve ka ho any Bordeaux na marseille na Nantes na toerana hafa koa no hanaovana ny matso fanaon'ny tafika frantsay ao Paris ilay fijerinay amin'ny telé foana rehefa 14 jolay.

Torak'izany koa ny firenenan amarikanina na saoudianina na anglisy !

Eritreritra mba sdendra nandalo iny fa dia ho hita eo ihany ny tohiny ary dieny izao ny tenako dia mirary antsika mianakavy ho tratry io fety io ary hankalaza izany ao anatin'ny firavoravoana sy fifaliana avokoa e !

ravatorano

 

Hevitra

Re: fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

simp | 23/06/2008, 12:44

faux problema ny fahitako anio...
... mande @ TVM foana io na aiza na aiza.

Zara aza alefa any Tamatave mba ahafahan'ny ol manao revy hafa ao @ tanana. Tsy dia hitako loatra manko ny tena fyany @ le matso alou za manokana :)

Re: fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

simp | 23/06/2008, 12:46

fa ny afomanga kosa alou tsy tokony afindra any an haha

Re: fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

ravatorano | 24/06/2008, 04:59

ravatorano

simp < marina voalazanao izany aloha raha ny eo amin'ny fiovana hisy eto amin'ny renivohitra !

Araky ny reko tamin'ny filazam-baovao alina izany dia hatao etsy Mahamasina ihany ny matso lehibe ary hanatrika izany eo ny Filohampirenena Marc Ravalomanana !
vita izay dia handray ny manampahefanan isan tokony sy ny vahiny eny Iavoloha ny tenany.
Ny lehiben'ny etamazaoro jeneraly ny tafika nefa raha niresaka tamin'ny mpanao gazety dia nilaza ihany koa fa hisy matso mitovy amin'ny eto Antananarivo koa any toamasina ka asa na ny hariva no hanaovana izany ka reefa avy eto tana ny filoha dia hihazo indray an 'i toamasina.

Amiko dia tsy izay no olana fa ilay vola lany hitanterana ny "blind├ęs" sy ny fitaovana maro hafa ho entina hankalaza sy hanaovana ny famindrana any amin'io ????

sa dia hajanona amin' io resak'i bandy akama ra simp ioe tsy maninona fa mba samy mahita na ny aty na ny ary !

Re: fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

ravatorano | 24/06/2008, 05:01

ravatorano

ny afomanga indray dia efa hatramin'izay no misy foana isaky ny faritany enina kah
ny any toamasina amin'ity izany dia hatao eny andranomasina fa tsy ety antanety toy ny taloha intsony
Niezaka ny fanjakana mba ho ny faritra 22 no hanao izany afomanga izany ary ahita avokoa izany ny renivohitry ny faritra isan tokony fa tsy hihanona fotsiny amin'ny fijerena tvm !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb