ravatorano

haverina indray izany ny fanagasiana

ravatorano | 08 Jolay, 2008 06:51

nisy gazety nivoaka omaly izay nilaza fa haverina ny fanagasiana.

Vao niseho io dia maro indray no nioro-koditra hoe hiverindalana indray ve isika.Tena izany tokoa ve raha haverina ny fanagasiana ? amiko dia mila fandinihana lalina ny momba izany .

tsy ratsy akory ny fanagasiana fa ilay fampiharana azy amin'ny fampianarana no mila ezaka sy fanatsarana betsaka ary koa fampiofanana ny mpampianatra hikirakira izany fanagasiana izany

raha nyu eo amin'ny ara panjakana dia rariny loatra raha ny taratasy rehetra ara panjakana dia atao ami'nny teny malagasy avokoa fa tsy hoe teny frantsay na anglisy no mibahana amin'izany.Amizao mantsy toa mirona loatra amin'ny fampiasana ny teny vahiny isika eo amin'ny antsoina hoe taratasy arapanjakana.Ny hitako aza moa raha mikasika ny asako manokana eto izany dia saika teny anglisy avokoa no andikana ny taratasy rehetra ary dia sahirana ilay malagasy kely izay mpiasa majinika tsdy nanovo fahalalana momba ny teny anglisy .Raha teny malagasy anefa izao ilay izy dia tsy nanaosarotra akory ranamana fa vay dia nikatroka tsy nihambahamba hany ka farany dia navelany teo ilay asa fa mbola hitady mpandika teny ono izy.Teo no raikitra ny adihevitra hoe tokony hianatra teny vahiny hafa ny mpiasa teo no nilaza fa andevozin'ny teny vahiny loatra isika ka na taratasy natao ho an'ny samy isika aza dia lasa ny teny vahiny no ampiasaina amin'izany.Dia samy nihazona ny heviny fa tsy nety vita ilay resaka. 


Ka amizao hiheverana ny famerenana ny fanagasiana izao dia inona ary no tena tsara tokony ho atao mba hahamendrika kokosa ilay tany malagasy amin'ny fampiasana azy.

Hevitra

Re: haverina indray izany ny fanagasiana

lehilahytsyresy | 08/07/2008, 08:14

Antenaina fa hiova ny fomba fampiharana ny fanagasiana amin' ity indray mitoraka ity.
Ny taloha (1976 - 1987 ? ) mantsy dia hita fa tsy nitondra afa-tsy fidinan' ny niveau -n'ny mpianatra amin' ny ankapobeny.
Enga anie ka hitandrina tsara ry zareo amin' ny fampiharana ny fanagasiana amin' ity indray mitoraka ity.

Re: haverina indray izany ny fanagasiana

ravatorano | 08/07/2008, 09:48

ravatorano

Indro ny voalazan irey amin ireo gazety itako anio maraina

Haverina, hono, ny fanagasiana !

«Fanagasiana», teny nampivarahontsana ny niaina tao anatiny. Nampirehareha ireo niezaka nivoy azy koa anefa. Taty aoriana, niadian-kevitra sy nofakafakaina tetsy sy teroa. Toy izao no tena fanagasiana fa tsy izy io. Ity no tena fanagasiana fa filazana abobo fotsiny ny ataon’ny sasany, sns. Hatramin’izao, mbola tsy fantatra mazava ny tena fanagasiana tiana hapetraka eto amintsika. Samy mandroritra sy manindrahindra ny heviny sy izay heveriny fa tena fanagasiana.
Re indray izao fa haverina ny fanagasiana any an-tsekoly. Izany hoe, ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra. Izay ve anefa dia ampy ilazana fa fanagasiana no hatao ? Raha tsy mamaly ny filàn’ny Malagasy akory ny taranja ianarana any an-tsekoly, efa fanagasiana ve no ilazana izany ? Fanagasiana ve ny fianarana ny tantaram-piainan’ny «mpitolona» vahiny amin’ny teny malagasy ?... Sao mbola ny fanafosafoana ny endrika ivelany indray àry ity mahamaika antsika ity ?
«Fanagasiana», teny fanesoana sy fametrahana ny Malagasy ho vahiny. Tsy ilaina akory io raha mahatsiaro tena fa Malagasy isika. Manamafy izany ny nambaran’ny Profesora Rabenilaina Bruno, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manao hoe : «raha ho anay Malagasy, tsy ilainay ny fanagasiana fa hoento ho anareo vahiny sy izay mihevi-tena ho vahiny».
Fahatsapana fa Malagasy. Raha izay no ao anatin’ny tsirairay, tsy tokony hipoitra akory ilay teny mandatsa hoe : «fanagasiana». Efa Malagasy ve mbola «hogasiana» ihany ? Matoa ventesina etsy sy eroa io teny io… mbola be no mihevi-teny fa vahiny !... Mbola maro no tsy mahatsiaro tena akory fa Malagasy izy… Indrisy !
gazety taratra
08/07/2008
HaRy Razafindrakoto

ok

Tokinao | 08/07/2008, 19:27

Hevitra tsara io amiko, nefa tokony ho hay ny mitondra azy. Ary tsy tokony hampien-danja ny fianarana teny vahiny izany.

Raha ny fijeriko dia tokony ampiarahina ny hoe "fanagasiana ny fampianarana" sy ny "fanomezan-danja ny fianarana teny vahiny". Tokony hisy sehatra ahafahan'ny ankizy (tantsaha, sns) mianatra teny vahiny.

Izany hoe : atao amin'ny teny malagasy ny fampianarana, sy ny taratasy any amin'ny birao rehetra. Etsy ankilany kosa dia atao mafonja tsara ny fampianarana teny vahiny :).

Fehiny dia tokony hianatra , sy hampiana-janaka isika Malagasy. Na ho fanagasiana tsinona ny eo, na ho tsy izany, rehefa tsy hahay mamaky teny ny malagasy iray dia mitovy ihany izany :).

Msaotra e!

Re: haverina indray izany ny fanagasiana

ravatorano | 09/07/2008, 04:52

ravatorano

marina tokoa fa tokony hianatra sy ampiana janaka ny malagasy satria raha ny tondro farany nomen'n'ny manampahaizana momba izany dia mbola aorian'i Malaisie isika malagasy raha ny fampianarana na ny olona mahay no jerena.Izany hoe faha 121 isika amin'ny firenena 160 ary tena latsaka ambany tokoa izany.
Ny fanagasiana dia heverina fa fitaovana iray entina hampiroboroboana ny fampianarana amin'ny ankapobeny ary dia ho hita eo indray izany ny vokany fa isika moa dia toa mitsapatsapa izay foana ka reefa mande dia mandeha izay ary raha tsy mahomby dia mifafa ny kihony ny zaza malagasy tratran' ilay fanavoaozana !

Re: haverina indray izany ny fanagasiana

Lalasoa | 09/07/2008, 20:47

Raha mahafolaka teny iray ny tena dia mora kokoa ny mianatra teny hafa avy eo. Tsara ny hamehezana ny tenin-drazana voalohany.
Tsy ny Malagasy no agasiana fa ny 'système', ka raha hanova 'système' dia tokony hapetraka aloha ny fanontaniana: nahoana no ovaina? inona no tsy nety tamin'ny teo aloha ka hohatsaraina? sao dia hambom-po diso toerana fotsiny ka mivaona ny atao?
Tokony drafitra maty paika tsara fa tsy andrakandrana fotsiny no aroso satria dia hanimba 'génération' isaky ny mandeha izao foana ve?
Raha resaka fampianarana, tsy tokony hadinoina fa mifampiankina ny sekoly sy ny fiaraha-monina, ny firenena. Ka sao ny ankizy hoborosiana 'teny gasy, teny gasy' nefa ny "lehibe" (ny fanjakana) tsy vonona ny hampihatra ilay fiovana akory any amin'ny asa andavanandro rehetra any. Raha resaka mpitari-bato vilam-bava manko, tsy fantatro ny statistika, fa tsy ho faha-121 amin'ny tany 160 akory ny politisiana malagasy fa angamba ... ianareo no milazà!

ok

Tokinao | 16/07/2008, 10:26

Lalasoa > faha-161 ve ? hihihi
[mba mananihany raToky e :)]

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb