ravatorano

Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

ravatorano | 09 Jolay, 2008 10:42

Araky ny vaovao reko tamin'ny radio Don Bosco anikeo maraian dia nisy fifanjevoana naharatrana mpianatra anakiray tao amin'ny Oniversité Barikadimy Toamasina omaly.

Nifandona tamin'izany ny mpianatra avy any avaratra Antsiranana sy ry zareo avy any atsimo Toliary.Ny niatombohan'ny ady aloha dia resaka joba na sipa na tovovavy iray.Rehefa naharesy tamin 'ny lalao basket ny ekipan'ny toliary dia nanao fetifety sady toliary koa tsy miroro ary dia nahazo sipa avy any avaratra "niaraka nidance tsapiky sy kilalaky"(za no mamorona an'io an! ).Somary taitra sy tezitra ny ndaty avy any atsimo reefa nahita izany ka nisavoritaka kely ny tao amin 'ilay trano filanonana nefa dia nitony ihany.
Avy teo anefa dia raikitra indray ary nitohy tany amin'ny cité U ny gidraka ka nisy mpianatra avy any avaratra Antsiranana no voan'ny vely kobay ka vaky ny lohany ary dia nobondana ny valahany tratran izany.Nahare sy nahita an iny ireo gaolahy avy avaratra dia nangataka mba homen ireo ndaty avy any atsimo ny anaran ireo nahavita nively ny namana mba ho faiziny nefa dia tsy nety nanolotra ilay na ireo nahavanondoza ry zalahya vy any atsimo.Noho izany dia raikitra ny valifaty raikitra ny tora bato sy ny sisa ary niditra antsehatra mihitsy aza moa ny EMMO/NAT toamasina nandamina ny raharaha ,teo ihany koa ireo tompon'andraikitra amin'ny Oniversité any Toamasina nanao ny fandaminana.

Ilay mpianatra avy any avaratra voa mafy ka nolazaiko tsy nahatsiaro tena tery ambony iny zany zizao efa mba nihatsara ny fahasalamany satria efa vita ny radio,efa nizaitra ny tataka teo amin'ny lohany ary efa mahatsiaro saina ranamana.Mirary fahasalamana ho an ilay voa mafy ary koa enga anie mba hitony sy hilamina amin 'izay ny ao amin'ny Cité µBarikadimy ao satria efa betsaka ny mpianatra avy any antsimono efa nibata entana niala tao nohon'ny tahotry nyv alifaty ho avy aminy na dia tsy nanao 'inona n'inoana aza ry zareo izany hoe tsy niray petsapetsa tamin' ireo mpiray fihaviana taminy izay namely kibay ilay tovolahy avy any avaratra.

Hevitra

Re: Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

Lalasoa | 09/07/2008, 20:29

Inona koa izany? Io vehivavy sy toakanareo io ho'aho ajanony rehefa tsy zakan'ny loha!

Re: Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

lehilahytsyresy | 10/07/2008, 06:53

Ny gidragidra tahak'io dia mampiavaka ny cités universitaires eto Madagasikara mihitsy.
Tamin' ny andronay fahiny koa, vers 1992, dia nisy fitrangan-javatra nitovitovy tamin' io teny amin' ny Cité Universitaire Ankatso 2.
Tamin' izay fotoana izay koa dia bal no niandohan' ny tantara, resaka samy mamo, dia nifanompa ny roalahy samy hafa fihaviana.
Ny karazan'ompa nataon'ny iray tamin' izy roalahy moa dia hoe "amboa razana" (io dia ompa iray tsy zakan'ny tribu sasantsasany) ka dia raikitra ny ady be nifandromotan' ny foko (tribu) nisy an'izy roalahy.
Tsy nivaha mihitsy moa ny olana raha tsy namonoana omby teny Ankatso 2 mba ho " ala-faditra ".
:-)

Re: Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

ravatorano | 10/07/2008, 09:32

ravatorano

aleo aho hindrana kely ny gazety taratra nivoaka androany mba hahitana hoe ahona no fijerin dry zareo ny toe draharaha :

Oniversite Barikadimy

Mihatra ny « couvre-feu »
Oniversite Barikadimy
Nampiharina ny «couvre-feu»
Mbola nitohy hatry ny omaly ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra avy any avaratra sy ny avy any atsimo, tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Niravona ihany izany tamin’ny tolakandro, taorian’ny fampihavanana nataon’ny manampahefana isan-tsokajiny. Mbola marefo anefa ny fandriampahalemana ka nampiharina ny «couvre- feu».
Na nananosarotra aza ny fandaminana sy fampihavanana ireo mpianatra avy amin'ny Faritra Sava sy ny Faritra Anosy, nifandona tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina dia niravona ihany izany omaly. Na izany aza, napetraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Mbola rakotry ny Emmo/Far ihany koa ny tanàna.
Tsara fipetraka ny paikady nentin'ny mpanelanelana tamin’ny fampihavanana mba hisian'ny fandaminana hany ka hita ihany tamin'ny fotoana farany ny marimaritra iraisana. Niroso tamin'ny fampihavanana tsy misy tambiny ny roa tonta. Ireo mpitarika mpianatra avy amin’ny faritra niaviany avy no nampifanatrehana. Niara-nanao sonia sy nifandray tanana Randrianomenjanahary Dimitri, mpitarika ny zanak' i Toliara, sy Tsivakiana Christian, mpitarika ny terak'Antsiranana. Teo imason' ireo tompon' andraikitra samihafa nahitàna ny lehiben'ny distrika, Andriamasimaneho Jean; ny ben'ny tanàna, Dokotera Rakotomanana Gervais; ny filohan'ny oniversite Horance Gatien. Nahitana mpitsara zokiolona ao amin'ny ambaratonga voalohany sy ireo kolonely maro samihafa tarihin' ny vondron-tobin'ny zandarimariam-pirenena ary ny filoham-boninahitry ny fikambanan'ny terak’i Toliara.
Nafana ny fifanazavana teo amin’ny andaniny sy ankilany talohan’izao fanaovan-tsonia izao. Naravona tamin’ny fifanekena 5 ny raharaha, ka ao anatin’izay, ohatra, ny hoe : “Mifanaiky fa tsy hamela ny adin' olom-bitsy hivadika ho adim-poko. Mifanaiky fa hanampy ny mpitandro filaminana amin'ny famerenana ny filaminana ato anantin'ny oniversite, mba hahafahan'ny mpianatra rehetra mandry fahalemana…”.


Nafotaka ny ady…
Raha tsiahivina kely ny zava-niseho ny alin’ny talata, tokony ho tamin’ny 7 ora, nisambotra mpianatra roa avy any Toliara ny mpianatra avy any Sava. Nataon’izy ireo takalon’aina izy roa lahy. Tsy havoakany, hono, raha tsy fantany ny anaran’izay nandratra an-dRakotomaro Jocyllin, ilay marary tsaboina any amin’ny Hopitalibe. Ity farany no voalaza fa fototry ny ady ny alahady teo.
Taorian’ity fakana takalon’aina ity dia nangorona ny entany avokoa ny mpianatra rehetra avy any Toliara noho ny tahotra. Nivoaka ny faritry ny oniversite izy ireo ary nitady fianakaviana sy olom-pantatra mba hitobiany. Tetsy andaniny, nanao fisavana araka izay azony natao ny mpianatra avy any Sava. Nangina tanteraka ny tao Barikadimy nanomboka teo mandra-maraina.
Nitohy omaly alaroabia izany fikarohana ny mpianatr’i Toliara izany. Tovolahy marobe nanao andiany, nirongo vato no nivezivezy nanerana ny oniversite nitady iretsy farany. Efa nivimbina lasantsy mihitsy aza handorana ireo takalon’aina. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Reg taorian’izay ka navotsotra ireo takalon’aina. Mbola nirohotra avy any an-tanàna niantso namana indray anefa ireo avy any atsimo niaraka tamin’ny kibay sy vato… Voalamin’ny mpitandro filaminana ihany koa anefa ireo. Naharitra adim-pamantaranandro 2 mihitsy vao nanaiky ny fandaminana ny roa tonta. Milamindamin-dratsy aloha izany ny ao Barikadimy. Efa heniky ny Emmo/Reg ihany koa ny tanàna.
Sajo sy Yves S.
gazety taratra
10/07/2008

mazotoa ary mamaky ooo

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb