ravatorano

Maro indry ny maty sy naratra tamin 'ilay lozam piafamoivoizana izay nitranga tany Ihorombe Ihosy omaly maraina

ravatorano | 29 Jolay, 2008 05:59

Ihorombe
Mpandeha 10 maty tsy tra-drano

 
Nitrangan-dozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, omaly maraina tamin'ny 6 ora sy sasany, tamin'iny lalam-pirenena fahafito iny. Kamiao lehibe iray mpitatitra legioma no niharan-doza tamin'izany, ka mpandeha 10 no indray namoy ny ainy teo no ho eo. 16 kosa no naratra, nalefa ao amin'ny hopitalin'Ihosy. Ny 12 amin'ireo, raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana tamin'ny fifandraisana an-tariby tamin'ny komandin'ny kaompanian'ny zandary ao Ihosy, ny kapiteny Théodule Ranaivoarison, dia tena voa mafy tokoa. Mbola atahorana, araka izany, ny toe-pahasalamany. Ny efatra kosa voalaza fa efa mahatsiaro tena tsara ka tsy misy ahiana intsony.
Tsy mbola fantatra mazava, raha ny fanazavana azo, ny tena antony nahatonga ny loza. Hiaka-piakarana amin'iny an-tampon'Ihorombe iny mantsy ilay fiara, raha avy niala kely ny tetezan'Ikelivondraka, no nisehoan'ny loza. Nivily tampoka izy ary nidona tany amin'ny vodin-tendrombohitra. Dia nivadika nony avy eo.
Legioma nalaina avy tao Fianarantsoa, milanja hatrany amin'ny 10 taonina any anefa no nentiny. Nisy tamin'ny gony, nisy ny tamin'ny garaba, ka ireo no indray nianjera, nanindry an'ireo mpandeha.
Voalaza fa ankizy eo amin'ny dimy ka hatramin'ny enin-taona eo ny enina tamin'ireo namoy ny ainy.
 

Nirina Rakotoson
Date : 29-07-2008

L'express de madagascar

 

Araky ny voalaza io izany dia fiara mpitondra entana no nitondra mpandeha ary izay no niaran-doza.Hita fa tena tsy nisy mihitsy fitandremana ary ny loza moa tsy hay mialoha ka raha tsy efa mitranga izay vao hita ny tsininy tamin'ny tsy fanaranhan-dalana.
Ireo mpandeha no tena voa mafy namoy ny ainy tsy fidiny.
Mirary fiononana ho an'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy.

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb