ravatorano

Ny famadihana : efa mihavery ilay tena fomban-drazana fahiny.

ravatorano | 05 Aogositra, 2008 09:27

 

Tonga indray ny vanim-potoana ny famadihana !

Raha nandeha tamin' iny lalampirenena faha fito iny aho, hatranyFandriana,Ambositra niakatra aty Vakinakaratra ka hatreto ambatolampy dia indreny ny setroka miakatra ny tanana feno olona mivorivory amin'ny tanana ambanivohitra: ao ny misy mpitsoka mozika ao ireo izay efa somary moderina kokoa ka mapiasa ny fitaovana entin'ny aratra toy ny "matosy matanjaka be" arahin'ireo tovovavy mpandray (hotesses)izay tazanay teo ambohimandroso !

Amizao fotoana izao dia efa natao hilaozan'ny toetr'andro izay fomba amam-panao izany ary napetraka ho finoanoampoana aza.Maro anefa ny antony nahatonga ny Ntaolo fahiny nanao ny famadihan-drazana io ary singaniko manokana eto ny fivoriambe sy fihaonan-dehibe ho an'ny fianakaviana iray manontolo.
Maro amin'ny fianakaviana malagasy no mieli-patrana eran'ny Nosy ary sarotra ihany ny hifankahitana matetika nefa rehefa tonga ny ankaratsiana na ny fifaliana dia vory lanona ny fianakaviana miatrika izany , ary ao anatin 'izay ny famadihana.Rehefa tonga mantsy ny famadihana dia vory ny fianakaviana manontolo,tonga eo avokoa ny  ray aman-dreny lehibe ka hatrany amin' ireo dimby sy fara zafy,zafiafy mba hifankahalala amin'ny havany,mba ho fantatry ny havany.Izany ihany koa dia nentina hanomezana lanja ny fianakaviana sy ny fifamatorana misy eo aminy satria ny fianakaviana malagasy dia mivelatra tokoa ary rehefa hoe havana izay dia mahafoaka fihavanana lalina izay.

Ny famadihana anefa amin'izao fotoana izao dia lazaina fa mandany vola ary mambotry ny olona na fianakaviana mbola mifikitra amin'izany.Ekeko tokoa ny fisian'izay ary tsy azo lavina.
Ao koa no miteny hoe manompo sampy ny olona manao ny famadihana fa miresaka amin'ny maty,maka tso-drano amin'ireo razana izay efa maty ireo,manome hasina ireo razana ireo bebe kokoa nohon'ny fivavahana ary lazaina aza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristianina ny famadihana.
Tiako ny hisarihana ny sain'ny mpamamky anefa fa azo atao ny tsy mandany vola be amin'ny famadihana fa io arakarak'izay ataonao ihany fa tsy voatery hamono omby na kisoa marobe dia maka mpihira gasy sy mpitsoka mozika vao azo atao hoe mamasika.amizao dia efa misy ilay antsoina hoe"famonosan-damba" izay asolo ilay teny hoe famadihana satria ny famonosan-damba hoe tsisy fomba arahina toy ny fitetezan'andro,ny fiantsoana fanahy ny andro mialohan'ny famandihana,ny fanasana ny fianakaviana ho vory lanona fa kosa dia tonga ny daty izay voatondron'ny mpianakavy dia sokafana ny fasana dia avoaka ny razana dia fonosiana dia samy miala avieo.Tsotra tokoa izay nefa mahavery hasina indray ilay maha fomba amam-panao azy, mahavery haja ilay nentin-drazana.
Maro ny seho entin'ny famadihana io tamin'ny fotoana mbola nampiroborobo azy satria ankoatran izay efa voalazako tery ambony dia eo koa no ahitana ny fanaovana ny "ateri-kalao" izay iankinan'ny fifanajana sy ny fifampifehezana ao amin'ny fiaraha monina malagasy.Io dia arakarak'izay ataonao amin'ny olona ihany no averiny aminao.

 

Hevitra

Ny hevitro

kdaombaramita | 05/08/2008, 10:43

kdaombaramita

1/ Raha tsy io famadihana io ve tsy afaka hifanasa, hifankahita ary hifanome voninahitra ny velona ? Raha tiana ny olona efa nodimandry dia ny soa nataony no tohizana. Rehefa maty ts'inona ny olona tsy misy eritreritra intsony, tsy misy fahatsiarovana intsony sns.

2/ Raha tena mitahy tokoa ny razana efa tokony ho lasa lavitra ny firenena malagasy.

3/ Ny fianakaviako ary mitsipozipozy dia razana tsy hiteny sy efa vovoka tsy miteny ary ve no ho tafiako ? Tsy hamelona, tsy afaka hanao inon'inona intsony ny olona rehefa maty fa mody vovoka. Tsy hygiénique ny milalao faty.

4/ Mifanohitra amin'ny fiainana kristianina tokoa ny famadihana satria mivavaka amin'ny maty fa tsy amin'ilay NAHARY izao tontolo izao. Nefa matoa Izy nahary dia afaka hanakinana fiainana araka ny teniny. Koa raha mivily @ io ny làlana dia izay no nataony ny @ Ra-Olombelona !

Re: Ny famadihana : efa mihavery ilay tena fomban-drazana fahiny.

ravatorano | 05/08/2008, 13:16

kdaombaramita
1 - Za tsy niteny hoe raha tsy nisy io d tsy afaka nifanasa na nifanantona fa aleo ahitsiko kely , io fomba iray io dia anisan'ny fotoana lehibe iray teo amin'ny malagasy izay hihaonan'ny mpianakavy rehetra na ny lavitra na ny akaiky
2 - Mino ve ianao fa tena tsy mitahy ny razana ?
Ary sao dia ny fanimbazimbana ny hasin'ny *Razana sy ny fanaovana tsinotsinona ny soatoavina malagasy no anisan'ny mampahatra antsika
3 - Marina fa misy ny sahirana na aiza na aiza fa izany ve dia ampy hanadinoanao ny fomban-drazanao ? Rahoviana no afaka ny fahasahiranana ?Lazainao fa tsy mamelona fa efa vovoka ry zareo ary ianao mandova ireo napetrany ireo manakory amizay raha toa ka nametrahany ianao !
Aminay mantsy dia ampy hanasoavany ny momba azy ireo ny tanimbary sy tanimboly izay napetrany !
Tsy mahasalama ny milalao faty hoy ianao fa efa mba naheno ve ianao hoe nisy olona azon'aretina tamin' ireny famadihana ireny ????
4 - Ny famadihana ny razana dia tsy midika velively fa mivavaka aminyna mivavaka amin'ny maty.tadidio fa teo amin'ny malagasy dia ny fanahin'ny ireo razana no manelanelana ny olombelona sy Andriamanitra Andriananahary

Aza avy dia entina amin 'ilay hoe izaho mpivavaka dia adinoiko ny fombandrazako eny na dia tsy hitako laoatra aza ny fifanoheran'izay.
Aminao ve raha misy olona iray ka mitalaho mafy amin'Andriamanitra izay heveriny fa hamonjy azy nefa tsy nahita valiny izy dia hiteny va io olona io fa tsy mamaly vavaka Andriamanitra
Misy folo ny didy tsy maintsy ankatoavin'ny kristianina ary ny voalohany dia hoe Aza manan Andriamanitra afatsy Izaho irery ihany.
Ny malagasy dia tsy nanana Andriamanitra afatsy anakiray ihany dia ilay ao antampon'ny loha izay mahita ny lohasaha mangina ,mahalala ny miafina rehetra ary ny Ntaolo malagasy koa tsy nivavaka tamin'ny Razana izany fa raha misy Joro atao aza Andriamanitra no teny voalohany alohan'ny Razana !

Tsara ny manome voninahitra ny razana

lehilahytsyresy | 05/08/2008, 14:50

Eto amin' ny toerana misy an' i LhlTsRs, mandritra ny volana Aout, dia misy andro telo mihitsy izay natao andro tsy-fiasana (jours feries) mba hahafahan' ny olona tsirairay mandeha mamangy ny ambanivohitra fiaviany sy ny fasan-drazany.
Izany dia entina milaza fa ankoatry ny Malagasy, dia maro koa ny firenen-kafa izay manome hasina ny fanajana ny razana. Ary koa, tsy voatery hojerena toy ny "zava-dratsy" ny fanaovam-pety fanajana ny razana, fa foto-pisainana nentin'ny fivavaham-bazaha izany.

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb