ravatorano

sahotaka tsisy fiafarany !

ravatorano | 29 Oktobra, 2009 11:56

Vao tsy ela dia tonga indray ny fanambarana fa teraka izao ny firehana faha dimy izay Ingahy Monja Roindefo no mitarika azy satria olona nanohana sy avy ao amin'ny antokony avokoa ireo tena mpikambana mafana fo ao anatin'izany.

Atao inona ary io firehana faha dimy io ?

Raha ny fanazavana re tamin'ny famelabelaran-kevitra izay nataon'izy ireo omaly 28/10/2009 dia natao indrindra izy io hanohana sy hitondra ny hevitra rehetra nataon-dry zareo "mpitolona" teny amin'ny kianjan'ny 13 mai ireny.Ka moa ve tsy efa voasolon'ireo firehana Andrinirina Rajoelina izany ? Eo indrindra no mahasadaikatra satria tsapa fa mifanohitra sy mifanipa-kevitra ry zareo ireo amin'izao indrindra fa hatramin'ny nanalana an'Ingahy Monja Roindefo ho Praiminisitra ka nanendrena an'Ingahy Mangalaza hisolo azy.

Raharaha ity seza politika ity ! Vao tsy ela akory izay no nifampilokaloka ny hiara-dalana mandrakizay,ary tsy hisy mihitsy hahasaraka ilay fiarahana ka na ho rivo-doza aza tsy hahasaraka azy saingy indrisy mantsyfa tao anatin'ny ora vitsivitsy monja dia tonga ihany ny nampoizina efa hatri'ny ela,tonga ihany ilay efa neverina fa hiseho satria tsapa fa mbola tsy ampy tosika eo amin'ny fihantrehana ny tena "ketrika " ara politika ireo milaza fa tanora mpitondra ao amin'ity fitondrana tetezamita ity amin'izao fotoana izao.
Ny fampiasana ilay teny hoe "vahoaka" moa amizao dia tsy hay intsony satrai izay miteny sy mitonona dia milaza mahazaka vahoaka avokoa nefa rehefa tonga tokoa ilay fitsapana izany dia miharihary toy ny tafika andrefan-tanana ny olona mandatsa-bato ho andry zareo.Rehefa tsy mahomby amin'izay dia milaza indray fa tsy ara-dalana sy tsy ara-drariny ny fifidianana fa mila ovaina izatsy lalana izatsy mila amboarina ny sata toy izao mba ho fifidianana madio sy mangarahara no misy.
Minoa ahy anefa ianareo fa rah tsy lany na mahazo vato kely amin'izay fifidianana ho avy eo ry zareo mpilalao politika ireo izay mibahana sy mitondra ny fanjakana malagasy amin'izao dia hirongatra indray izy ireo hitaky ny hamerenana ny fifidianana mandrapaha lany azy.

SAhotaka tsisy fiafarany eto raha ho toy izany foana !

Hevitra

Re: sahotaka tsisy fiafarany !

simp | 29/10/2009, 17:41

ny lojika tsotsotra @ izao kosa aloha raha hoe mouvance 4 no lasa mouvance 5 dia poinsa mety ho tonga mouvance 10 io eee

izao le hoe tsisy fanatenana intsony :)

Za koa mahay

Tokinao | 29/10/2009, 18:40

Tara be ravatorano zany. 6 zao ny isan'ny mouvance. Vao namorona ny movantsa-ko za t@ maraina lol.

mankaleo

ravatorano | 31/10/2009, 08:31

hita fa tena ady saritaka izao no ataon dry lerony mpi politika ireo e !
ny vahoaka faoana no mifafa sy mihinana ny tadiny ny tadiavina anio tsy ampy anio ny rahampitso feno misitery na ahita na tsia nefa ny andry zalahy na ny ho an'ny zafiafy aa efa voaangony avy amin'ny herim-bahoaka !
henjana e !

Re: sahotaka tsisy fiafarany !

fahamarinana | 31/10/2009, 19:36

Asa lahy fa raha ny fahitako azy aloha Razoky dia eo tsy ny maha-tanora na maha-antitra no ahafahana milaza aloha ,raha ny tokony ho izy ,fa tsy manana traikefa amin'ny ara-dalana ny fitondrana politika !Voa tsy ela anie,taona maromaro tokoa izay ,no nahitantsika ireo azo lazaina fa efa erotrerony ara-taona,ara-politika nefa ny zava-bita tsy dia mankaiza mihoatra amin'ny hafa !Ilay resa-politika any an-toerana no mila fantarina !
Inona no atao hoe mpitondra Firenena? :
-Mameno paosy?
-Manabe tarehy anaty 4x4 ? Dia manano fialan-tsasatra any Ile Maurice,sns ?
Manangana bulding mijoalajoala?
Mandray ravin-taratasy millions maromaro?
Inona no atao hoe Tia Tanindrazana sy tsy mambotry vahoaka?
Aleo hiverina amiko rahatoa ka tsy ao amin'ilay "oui"! :-)
Eo tsika mahita izy an fa aza taitra foana Razoky fa mbola hivadika ny tantara !Amin'ny soa sa ny ratsy? Ny ho avy no hilaza azy !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb