ravatorano | 28 Novambra, 2007 04:33
Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Ben'ny tanana eto Madagasikara.raikitra indray izany ny famoriana vahoaka sy ny fizarana tee shirt maro loka e !
Niainga tsara izy omaly raha ny teto Antananarivo Renivohitra no jerena sady ny tena ihany koa nivezivezy nandehandeha omaly ka nahita sy nifanojo tamin'ireo mpanao fampielezan-kevitra ireny.Nisy nanome tee shirt mihitsy aza ny tenanay ary dia misaotra azy fa hividy aza atao !
Kandidà telo aloha hatramin'izao no tena nanao ny fampielezan-keviny omaly dia Ingahy Rafalimanana Hery PDS amin'izao fotaoan izao izay an'ny TIM,tao koa Ingahy Rajoelina Andry na i *Andry TGV, ary ilay akiray dia Ingahy Ramiarinjatovo izay ben'ny tananan'Alasora fahiny fa nirotsaka indray eto andrenivohitra.
Vao manomboka ity ny fandehany fa ny tsikaritra aloha dia misy amin'ireo artista malaza no mitaona sy nankalaza an'Ingahy Andry TGV omaly ary naneho hevitra mihitsy ny mba hanohanana azy dia i Lola ,Tovo jHayNary ao amin'ny tarika Zay,i Melky .......
Ingahy Rafalimanana kosa dia notronon'ireo mambra ao amin'ny birao politikan'ny antoko Tim teo amin'ny auditorium Ankorondrano ary nahavory olona tim marobe tokoa
Amizao fotoana dia iadivana tokoa ary tena ifandroritana ny mitaona ny tanora satria ny tanora no ho avin'izao firenena izao.Samy manao izay ho afany amin'ny fakana ny vaton'ireny tanora ireny amizao.
Milamina sy nizotra ara dalana aloha ny omaly ary irariana mba ho toy izay foana mandrapahatongavan'ny 11 decembre hifaranan'ny propagandy
ravatorano | 15 Novambra, 2007 09:58
raha vao miditra cyber enao ka mitopy amin'ny olona manodidina anao sy izay zavatra ataony eo dia izao foana no miseho injinja raha vehivavy na tovovay ilay olona eo akaikinao : mijery site de rencontre izy ary dia raikitra ao mitsaty,mifanoratra mailaka sns e !
Za tsy miteny hoe ratsy izany fa ny antony araky ny fanadihadiana dia maro amin'ny tovovavy malagasy no te hanambady vahiny na firy taona izy na firy na tiany io tsia mba hahafahany miala eto ka hiondranany any ampitan-dranomasina any satrai any hono miasana sy milamina kokoa ny fianany noho'ny eto sady leo tebiteby sy fahoriana lava izao hono ry zareo !
Mbola ny fanadihadiana ihany no nahitako fa ny tovovavy eo amin'ny 23 taona ka hatramin'ny 35 taoana eo no tena voasarika amin'izany ary misy aza ry zareo efa manana ny olotiany ??? nefa moa atao ahona fa izay angah ilay hoe fitadiavana tsy mahazaka maniraka satrai lasa fitadiavana ilay izy : fitadiavana vady mba hitadiavana vola vahiny hahafahana manampy ny aty an-tanana na hahavitana trano aty fara faharatsiny
soa aza zareo izay reko lasa any mba mieritreritra an'izay koa fa raha toa ny sasany izay voalaza ihany koa fa tsy antany tsy amparafara fa tratran'ny lango sy lainga marivo tototra teo dia roboka kay rehefa tonga tany lasa "nadevo-pitiavana" tsotra izao hany ka nidi-droa ohatran'inona moa e........Nampalahelo
Farany mba asio fisainana ihany ry zareo ny momba an'izay an fa tsara lavitra ny mieritreritra sy mandinika alohan'ny hanaovana sy hirosoana amin'ilay izy !

ravatorano | 14 Novambra, 2007 05:07
maro no tsy nanampo mihitsy satrtia sondraina tamin'ny kabary politika ary tsy nahay nanavaka ny tena marina amin'ireny kabary ireny sy ny zava hisy sy misy amin'ny fiainana diavin'ny firenena
Madagasikara dia nosy ary tsy afaka misaraka amin'izao tontolo izao indrindra eo amin'ny ara toe karena.Maro ny fanampiana azotsika avy amin'ny mpamatsy vola sy ireo firenena matanjaka,maro ny tetik'asa izay efa vita sy mbola hatao.....
nefa dia maro amizao no mimenomenona satraia ......
ny vidin'ny jiro sy rano dia niakatra eo amin 'ny 20% eo nefa tsy arak'izay akory ny zava misy fa na dia ny filoham-pirenena aza dia tratran'ny "delestage" raha nikabary teny Iavoloha...
Io indray ny solika, isika moa tsy mbola mitrandraka azy io na dia be aza ireo fampanantenana sy fanatenana ny ahitana an'izany eto amitsika, misy eto fa mbola fitrandrahana tsy azo amisy fa mbola "expérimental" fotsiny ihany aloha hatramin'izao.Io vidin'ny solika io izay midangan izay tsizy dia hampitombo indray ny fiakaran'ny vidim-piainana eto madagasikara hisondrotra avokoa ny entana ho vidiana rehetra izao ....
... ary manginy fotsiny ity fiakaran'ny hetra alaina amin'ny mpiasa ity izay ny "cadre moyen" no tena tratrany satrai betsaka amin'ny mpiasa malagasy no eo amin"io toerana io.
Tsara ny mandoa hetra satria adidinao eo amin'ny firenena izay fa tena ampiasaina marina amin'ny fampivoaran any firenena kosa v izany ?
eo injinja isiaka izao .........
d mitohy ihany ny fimenomenonana...; na dia tsy ho voatanisako eto aza izao rehetra izao......
Manao izay ho afany tokoa ny fanjakana mijoro sy mitondra eto amin'izao fa mety tsy afa manoatra nohon'ny antony fiankinan doha amin'ny mpamatsy vola nefa tsy maintsy mindram bola hanarenana ny firenena
dia tsy maintsy himenomenona foana izany aloha satrai tsisy zavatra tonga lafatra tanteraka e !
ravatorano | 12 Novambra, 2007 10:29
ravatorano | 12 Novambra, 2007 10:21
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
« | Novambra 2007 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |