ravatorano | 29 Aogositra, 2008 04:43
Vita ny fanadinana fa ny valiny no nandrasan'ny mpiadina tao anatin'ny fitaintainana .Izany dia vokatry ny fisalasalana nanobmoka teo min'ny "délibération" izay nolazaiana fa tsy ny mpampianatra rehetra no nisafidy azy.Iny eo ihany fa nanampy trotraka ihany koa ny fialzana fa nisy tsy nety teo amin'ireo milina informatika nanambarany ny isan'ny mpianatra.
Maro tamin'ny olona no nihevitra avy hatrany fa nety nisy "bizina" indray tao , d asa anefa raha efa tena lomorina amin'izany ny saim-bahoaka ka raha vao misy fahatarana na indro kely amin'ny vokatra toy itony dia lazaian fa misy "afera" ao !
Dia nivoaka afak'omaly alina izany ny vokatra teo amin'ny "série tecnhique",ary nilaza ny tompon'nadraikitry ny fanabeazana fa nitombo ny isan'ny mpianatra faka fanadianan.Nivoaka alina koa ny teo amin'ny "seria C sy D" ary teo amin'ny 47,37% teo no salan'isan'ireo afaka fanadianana.Nilazaina indray koa fa nihabetsaka ny mpianatra afaka tamin' ity taoana ity ary dia azo everina izany fa niakatra ny lanaj'ny fampianarana.
Fa ny mahagaga dia ilay vokatra izay avoaka tsikelikely?Nilaza ry zareo tao ami'ny office de bacc fa mbola tsy fantatra na anio na rahampitso no ho tafavoaka ny bacc "serie A1 sy A2".
Izany dia noho'ny tsy fetezan'ny milina informatika ihany !!!!!
Nisy aza tompon'andraikitra ao amin'ny fanabeazana nilaza hoe hatao ho fomba fanao indray ity mamoaka vokatra tsikelikely ity zany hoe avoaka aloha ny tekinika dia ny serie C dia avieo ny D dia avieo ny A1 dia farany ny A2 fa kosa tsy atao tara loatra ny fanaovana ny fitsarana ny fanadinana .
tsy hay tsony e!
miova sata miova andriana tokoa !
fa dia eo isika mahita izy !
ravatorano | 07 Aogositra, 2008 10:29
ravatorano | 05 Aogositra, 2008 09:27
Tonga indray ny vanim-potoana ny famadihana !
Raha nandeha tamin' iny lalampirenena faha fito iny aho, hatranyFandriana,Ambositra niakatra aty Vakinakaratra ka hatreto ambatolampy dia indreny ny setroka miakatra ny tanana feno olona mivorivory amin'ny tanana ambanivohitra: ao ny misy mpitsoka mozika ao ireo izay efa somary moderina kokoa ka mapiasa ny fitaovana entin'ny aratra toy ny "matosy matanjaka be" arahin'ireo tovovavy mpandray (hotesses)izay tazanay teo ambohimandroso !
Amizao fotoana izao dia efa natao hilaozan'ny toetr'andro izay fomba amam-panao izany ary napetraka ho finoanoampoana aza.Maro anefa ny antony nahatonga ny Ntaolo fahiny nanao ny famadihan-drazana io ary singaniko manokana eto ny fivoriambe sy fihaonan-dehibe ho an'ny fianakaviana iray manontolo.
Maro amin'ny fianakaviana malagasy no mieli-patrana eran'ny Nosy ary sarotra ihany ny hifankahitana matetika nefa rehefa tonga ny ankaratsiana na ny fifaliana dia vory lanona ny fianakaviana miatrika izany , ary ao anatin 'izay ny famadihana.Rehefa tonga mantsy ny famadihana dia vory ny fianakaviana manontolo,tonga eo avokoa ny ray aman-dreny lehibe ka hatrany amin' ireo dimby sy fara zafy,zafiafy mba hifankahalala amin'ny havany,mba ho fantatry ny havany.Izany ihany koa dia nentina hanomezana lanja ny fianakaviana sy ny fifamatorana misy eo aminy satria ny fianakaviana malagasy dia mivelatra tokoa ary rehefa hoe havana izay dia mahafoaka fihavanana lalina izay.
Ny famadihana anefa amin'izao fotoana izao dia lazaina fa mandany vola ary mambotry ny olona na fianakaviana mbola mifikitra amin'izany.Ekeko tokoa ny fisian'izay ary tsy azo lavina.
Ao koa no miteny hoe manompo sampy ny olona manao ny famadihana fa miresaka amin'ny maty,maka tso-drano amin'ireo razana izay efa maty ireo,manome hasina ireo razana ireo bebe kokoa nohon'ny fivavahana ary lazaina aza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristianina ny famadihana.
Tiako ny hisarihana ny sain'ny mpamamky anefa fa azo atao ny tsy mandany vola be amin'ny famadihana fa io arakarak'izay ataonao ihany fa tsy voatery hamono omby na kisoa marobe dia maka mpihira gasy sy mpitsoka mozika vao azo atao hoe mamasika.amizao dia efa misy ilay antsoina hoe"famonosan-damba" izay asolo ilay teny hoe famadihana satria ny famonosan-damba hoe tsisy fomba arahina toy ny fitetezan'andro,ny fiantsoana fanahy ny andro mialohan'ny famandihana,ny fanasana ny fianakaviana ho vory lanona fa kosa dia tonga ny daty izay voatondron'ny mpianakavy dia sokafana ny fasana dia avoaka ny razana dia fonosiana dia samy miala avieo.Tsotra tokoa izay nefa mahavery hasina indray ilay maha fomba amam-panao azy, mahavery haja ilay nentin-drazana.
Maro ny seho entin'ny famadihana io tamin'ny fotoana mbola nampiroborobo azy satria ankoatran izay efa voalazako tery ambony dia eo koa no ahitana ny fanaovana ny "ateri-kalao" izay iankinan'ny fifanajana sy ny fifampifehezana ao amin'ny fiaraha monina malagasy.Io dia arakarak'izay ataonao amin'ny olona ihany no averiny aminao.
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
« | Aogositra 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |