ravatorano | 30 Jiona, 2008 15:31
Niainga maraian tamin'ny valo sasany teo fianarantsoa izahay ary hihazo an'antananarivo ny 26 jiona 2008 teo.Vao teo Ivoamba sy andohanisana ary Iboaka defa tomefy olona ny arabe , feno olona manao akanjo marevaka tokoa !Teo alakamisy Ambohimaha dia feno olona koa ny arabe ary nitohana mihitsy aza moa nandritry ny atsasakadiny mùahery satria nandalo teo tamin' izay ny mpianatra hanao "defilé" arahin'ireo kartie mobily .Toy izany koa ny teo Ambohimahasoa izay vao lavidavitra ny tanana defa re mitatatata ny fanamafisam peo amin 'ireo hira betsileo mihetsiketsika tokoa ary dia efa raikitra ny fandihizana antsena sy ankalamanjana na dia efa atoandro be aza !
Teo amin'ny commune rurale Camp Robin no tena nahafinaritra no nijery ireto kartie mobile amin'ny famamiana maitso tanora vaovao be arahin'ny kapa kiranyl mainty izay vaovao koa.Ny zandary efadahy eo anoloana milanja ny basy sy ny sainam-pirenena ary mamarana ny filaharana ny mpianatra ao amin'ny EPP sy ny ceg.Zany tokoa ny fety sy matso anyAmbanivolo rehetra any ary tamin' iny lalana iny dia nitovy tamin 'izay avokoa na ny teny ambalamanakana , na ny teny ambatofitorahana, na teny Ivato centre koa aza .
Ny tena nitovizany koa dia feno olona mamo ny toerana rehetra izay nolalovina ary raha mirafarafa mandeha mafy ianao dia atahorana hanao accident fa be no mivembena eran'ny lalana ka dia naleo nilamina hatrany fa ny tonga ihany no noharabaina.
Efa tolak'andro izahay no nandalo an'Antsirabe rehefa vy nisakafo teo Soavina.Ny tena nahagaga dia tsy nisy hotely nivoha tamin'iny lalana iny fa fety ny andro ka nikatona avokoa ry zareo hany ka sarotra be vao nahita hanina ny tenanay.
Nanomboka teo Ambositra no niakatra aty Antananarivo dia efa hafa indray ny hetsika amin'ny fety satria efa misy ny "podium" natokana ho amin'izany ka tsy tazana eran'ny lalana intsony ny vahoaka hitanjozotra toy ny tany antsimo fa efa samy mahita ny toerana halehany avokoa.
Za manokana dia nahita fa nilamina iny fety ary nahafinaritra ny tena satria zava baovao no hita na dia fahoriana aza no nidinana tany fianarantsoa sy ni niakarana taty Antananarivo !
Nitondra fakan tsary ihany fa tsisy pellicule ilay fakatsary numerika dia low bat dia tsy nahazo fa najavona avokoa izay nalaina nefa tena tsy ahita ny toy ireny impiry intsony !
ravatorano | 24 Jiona, 2008 05:02
Raha nanao ny fivoriana mahazatra azy ny filakevitry ny governemanta dia nanendry an'Andriamatoa Jean Louis Robinson ho minisitry ny fanatanjahan-tena.
Izy moa dia mpitsabo ary efa minisitry ny Fahasalamana teo aloha ary efa nitazona ny filohan'ny Holafitry ny dokotera malagasy.
Tamin'izany fanendrena izany no nitenenan'Atoa Marc Ravalomanana Filohampirenena fa hatao laharampahamehana ny fanatanjahatena fa tena tsy lasa intsony ny mahita antsika malagasy "mba tsy hitenenana hoe mitana ny rambony fa manakaiky ny farany" ka dia nanohy ihany izy hoe " mila fanavoazana malaky sady haingana izany ary azo tsapai tanana ao anatin'ny fotoana fohy" Nanaiky moa ny minitra vaovao hanatanteraka ny asa ary dia hanao fanamby lehibe izany mba hanatontosana izany asa izany.
Ny praiministra rabemanajara moa dia nanome toky ny filohan'ny repoblika fa dia hanao adidy masina mba hampandroso ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara
ravatorano | 23 Jiona, 2008 09:01
Efa velombolo avokoa ny olon drehetra amin'ny fahatongavan'ny fetin'ny 26 jiona izay ankalazana ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara.Ho vitsy ihany anefa ny akoho amam-borona ho ripaka aminj'ity taona ity satria vitsy koa ny olona mana katao hahavita hividy an 'izay amin'izato fahalafosany.Tsy izay anefa no tiako hambara eto fa momba ny mantso izay tontosain'ny tafika ho fanomezam-boninahitra io fety malaza sy manatantara io.Tsisy izay tsy nahare angamba fa nandeha bb eto amitsiska eto Madagasikara fa hatao any Toamasina ny matso lehibe izay fanao eo Mahamasina.Hatramin'izao aloha dia mbola siosio izany ary resaka miely fotsiny fa tsy tena mari pototra nefa mampisy fanontaniana ihany satrai nahoana hoy ianao : eto Antananarivo aza ny tafika mitambatra mbola tsy nanao famerenana teny Mahamasina na dia efa tokony ho nanao zany teny aza zareo araky ny efa fanaony isan-taona.
Ny mpikarakara ny lanonana toy izao dia mbola tsy nandrenesan-teny ihany koa momba izany.Ny lehiben'ny faritra Antsinanana moa dia nilaza ihany koa fa mbola tsy nahare sy nahazo baiko hikarakra ny lanonana any toamasina.
Ka aiza ihany ary no hatao io mantso io ?
Mety gaga isika hoe inona moa izay mantso ? na aiza io na aiza no hanaovana azy ve tsy mitovy ihany? na any manakara io no atao na any antsirabe na any vohiposa na anay morondava na any antsiranana na toamasina moa ve tsy eto Madagasaikara ihany ?
Marina izay fa tanana eto Madagasikara daholo ireo voatanisa ireo ary tsy amapahafiriny aza ireo.
Aza hadino nefa fa na aiza na aiza eran-tany dia ao amin'ny renivohitry ny firenena iray no ankalazana sy hanaovana ny matso lehibe fanaon'ny tafika ao amin' ilay firenena.
Dia ho sanatria ve ka ho any Bordeaux na marseille na Nantes na toerana hafa koa no hanaovana ny matso fanaon'ny tafika frantsay ao Paris ilay fijerinay amin'ny telé foana rehefa 14 jolay.
Torak'izany koa ny firenenan amarikanina na saoudianina na anglisy !
Eritreritra mba sdendra nandalo iny fa dia ho hita eo ihany ny tohiny ary dieny izao ny tenako dia mirary antsika mianakavy ho tratry io fety io ary hankalaza izany ao anatin'ny firavoravoana sy fifaliana avokoa e !
ravatorano
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
« | Jiona 2008 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
29 | 30 |