ravatorano

fandalovana tany amin'ny faritra atsimo andrefana iny !

ravatorano | 22 Desambra, 2007 11:37

Sendra mba nandalo nanao fitsidihana kely naharitra herinandro tany amin'iny faritra atsimo andrefana iny ny tenako tamin'ity herinandro mifarana ity.
Ny tsapako voalohany indrindra dia ny hafanana satrai vao teo amin'ny fitodiam piaramanidina fotsiny teo Morondava ny tenanay dia efa tera tsemboka be satrai vao maraian dia efa 27°C ny hafanan satrai tamin'ny valo ora maraina aho no tonga tany.Ny atoandro izany moa dia nahatratra 33°C mihitsy, ny tena efa sola ka dia nandaitra tamiko ara bakiteny ilay fitenenana hoe :"hafanana mamaky loha sola".Tsy izaho na ny vahiny tonga mandalo any ihany no mikaikaika amin'izany hafanana izany fa na dia ireo tompotany efa zatra ao aza dia vaky vava mihitsy.Ny anton'izany dia ny fiovana misy eo amin'ny tontolo iainana eran-tany sy indrindra eto amintsika,satria raha teny anabakabaka teny izahay dia nahita doro tanety miitatra be ary ny setroka aterak'ireny no mahatonga ilay antsoina hoe "effet de serre" hany ka mihamafanana ny andro ary dia mitete ny hatsembohana.Ny akanjo anaovana maraina tsy anaovana ny tolak'andro ary hafa koa no entina se hariva ,ny alina moa dia ilaozana ny firakotra ary dia ny rano ao amin'ny douche no tena mifankatia amin'ny tena ! hihihihihih !

Izay ny amin'iny fa ao koa ny fiovan'ny tanana'i Morondava izay hitako fa tena ratsy b ny lalana eo antampo-tanana, ny tsena efa nisy fiovana kely ny fahdiovany fa ny fako no feno mivangongo miandry mpanala na dia efa misy aza ny ezaka atao amin'izany dia mbola tsara raha asiana fiheerena ihany satria toerana  sy tanana be vahiny mitsidika any amin'io faritra io.

Tsy ampy koa ny toerana fialam boly ho an'ny tanora izay itovizan'ny tanora malagasy rehetra moa izany ary tsy asiana resaka lava momba izay

ny moron dranomasina dia mbola betska aihany no mihevitra ny torapasika ho toerana fanariana maloto na fivoahana , itovizan ny nosy ste marie araky ny tenin'ny filoha ra8 ilay izy.tongo bakivaky ka mahamenatra.Tsy tahotra tsy henatra fa andro atoandro b nanahary izao dia misy olona sahy mivalana eonefa dia misy ankizy milomano eo amin 'ny faritra manodidina eo !Mila  ezaka mafy ny momba an'iny, ef nasiana toerana fivoahana ihany ao antsena ao fa tsy haiko ny mahatonga izany anefa.
Ny fahasimban'ny moro dranomasina moa efa tsy tenenina tsony fa ireo vato be natao fiaro sy ny vy marobe natsangana tamin'iny toeran iny dia efa tena kosa sy potika ary nokaon'ny ranomasina tanteraka ary lasa arafesina sy potika  izay manjary manimba ny mason'ny mpitazana ary koa lasa mampatahotra ny mpilona amin'ny loto aterany.

Tany toliary moa dia nandalo indray andro aho no tao ka tsy nahita tanana firy fa asa koa no naleha tany , ny malaza ao dia ny tsy fandriam pahalemana araky ny resaka nifanaovana tamin'ireo namana vitsivitsy tany.

Fa mba tsetsatsetra  tsy aritra no ilazako eto ampamaranana fa tena nahafaly ny ankamaroan'ny olona mponina tamin'ireo toerana ireo izay sendra anay ka tafaresaka taminay no nahare fa i Andry TGV no lany ben'ny tanana ao Antananarivo ao ary dia gaga ny tenanay fa na tany Mahabo aza dia misy olona nihoraka mihitsy raha nolazainay fa niova ny ben'ny tananan'antananarivo fa tsy olon'ny tim akory.
Mahagaga anay izany satria ohatran'ny tsy nahataitra an-dry zareo akory ny eo aminy fa ny nahafaly azy dia izay niseho taty antananarivo !

Tsapa sy hita izao fa tsy azo hamaivanina intsony ny tanora eo amin'ny lafiny ara politika

ravatorano | 13 Desambra, 2007 10:42

Na dia mbola tsy ofisialy aza ny fandresena miezinezina nobatain'ny Tanora malaGasy Vonona teo andrenivohitra dia hita sy tsapa ary azo lazaina fa tsy azo atao ambanin javatra intsony izany izao ny hevitry ny tanora eo amin'ny safidy ara politika.
Nisy fitomboana ny fahavitrihana nifidy,nisy fitomboana ihany koa ny tanora feno taona afaka nifidy ary izany rehetra izay dia ahafahana milaza fa be tamin'izy ireo no nadrotska ny vatony ho an'i Andry Rajoelina ka nahazahoany an'ireny isanjato avobe ireny satria dia nilaozany lavitra tokoa ny mpifaninana aminy.

Izao koa dia hita fa tokony hipetraka hisotro ronono amin'izay ireo "dinausore" mpilalao politika eto amin'ny tanana fa lasa mikobaka ambava fotsiny fa tsy mahavita ny tokony hataony rehefa tonga eo ami'ny toerana misy azy

Lany izany zao ry zareo ao ami'ny TGV koa dia miandry isika,miandry aza hiasa ary hiara hiasa aminy ho falmpandrosoana ity renivohitry ny malagasy rehetra ity,hiara hiasa miny hoy aho fa tsy hanao sakatsakana indray amin'izay teti panorona hitany fa hampandroso haingana ny tanana

Mino aho fa hiara hisalahy hatrany ny commune sy ny fanjakana foibe amin'ny fampandrosoana ny tanana indrindra fa ny renivohitra

Ry zareo tim izany zao teto Antananarivo no tratran'ny premier tour dia vita indray tamin'ity ah

atao ahona fa kodiaran tsarety ny fiainan ka rehefa eo amin'ny toeran ianao mahaiza manararaotra manasoa ny vahoaka e

 

lasan'ny Tanora malagasy vonona sy i Andry Rajoelina izany ny fandresena teto Antananarivo

ravatorano | 13 Desambra, 2007 06:04

http://www.mira.gov.mg/election/resultat-communal-region-antananarivo.php?c1=1&c2=1

Io zany ny site an'ny ministeran'ny atitany ahafahanao mijery ny vokatra teo antananarivo renivohitra fa tsy dia asiana komentera tsony e fa dia lasan'ny tanora malagasy vonona ny tanana

hijery fety sa hiatrika propagandy

ravatorano | 03 Desambra, 2007 10:19

maro ireo olona tonga amin'ireny famoriana ho an'ny fampielezan-kevitra ireny

manontany tena hany aho hoe hijery fety ve ny olona sa hiatrika fampielezan-kevitra

raha ny olona tonga teny antsonjombe omaly izay aloha dia aoka fotsiny raha ireny marina no hifidy an'Ingahy Andry Rajoelina dia efa isan'ny any Tsimbazaza ny ila tongony

torak'izany koa ny niatrika an'Ingahy Rafalimanana fa dia vahoaka tokoa

Ny aritista izay manohana mivantana na koa mikarama amin'ireny fampielezan-kevitra ireny no mahatonga ny olona ho tonga marobe raha hjery fety ry zareo nefa amizao fotoana izao efa fomba fiady hitarihana ny olona hanaraka ny fampielzan-kevitra ireny

ka raha izany ary hijery fety sa hiatrika fampielezan-kevitra ny olona ?

Izy roalahy ireo izany zao no tena hiady ny toerana ao Tsarafaritra Tsimbazaza ao

Samy tanora ary samy manana ny maha izy azy ka ny faniriako dia aoka mba izay tena safidian'ny olona no handresy ary aoka  izay lany eo mba ho ben'ny tananan'Antananarivo tokoa !

 

raikitra indray ny fifidianana sy ny kalxon lavareny eraky ny tanana

ravatorano | 28 Novambra, 2007 04:33

Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Ben'ny tanana eto Madagasikara.raikitra indray izany ny famoriana vahoaka sy ny fizarana tee shirt maro loka e !

Niainga tsara izy omaly raha ny teto Antananarivo Renivohitra no jerena sady ny tena ihany koa nivezivezy nandehandeha omaly ka nahita sy nifanojo tamin'ireo mpanao fampielezan-kevitra ireny.Nisy nanome tee shirt mihitsy aza ny tenanay ary dia misaotra azy fa hividy aza atao !Wink

Kandidà telo aloha hatramin'izao no tena nanao ny fampielezan-keviny omaly dia Ingahy Rafalimanana Hery PDS amin'izao fotaoan izao izay an'ny TIM,tao koa Ingahy Rajoelina Andry na i *Andry TGV, ary ilay akiray dia Ingahy Ramiarinjatovo izay ben'ny tananan'Alasora fahiny fa nirotsaka indray eto andrenivohitra.
Vao manomboka ity ny fandehany fa ny tsikaritra aloha dia misy amin'ireo artista malaza no mitaona sy nankalaza an'Ingahy Andry TGV omaly ary naneho hevitra mihitsy ny mba hanohanana azy dia i Lola ,Tovo jHayNary ao amin'ny tarika Zay,i Melky .......

Ingahy Rafalimanana kosa dia notronon'ireo mambra ao amin'ny birao politikan'ny antoko Tim teo amin'ny auditorium Ankorondrano ary nahavory olona tim marobe tokoa

 

Amizao fotoana dia iadivana tokoa ary tena ifandroritana ny mitaona ny tanora satria ny tanora no ho avin'izao firenena izao.Samy manao izay ho afany amin'ny fakana ny vaton'ireny tanora ireny amizao.

Milamina sy nizotra ara dalana aloha ny omaly ary irariana mba ho toy izay foana mandrapahatongavan'ny 11 decembre hifaranan'ny propagandy

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb