ravatorano

fetin'ny fahaleovan-tena : aiza no hatao ny matso ?

ravatorano | 23 Jiona, 2008 09:01

Efa velombolo avokoa ny olon drehetra amin'ny fahatongavan'ny fetin'ny 26 jiona izay ankalazana ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara.Ho vitsy ihany anefa ny akoho amam-borona ho ripaka aminj'ity taona ity satria vitsy koa ny olona mana katao hahavita hividy an 'izay amin'izato fahalafosany.Tsy izay anefa no tiako hambara eto fa momba ny mantso izay tontosain'ny tafika ho fanomezam-boninahitra io fety malaza sy manatantara io.Tsisy izay tsy nahare angamba fa nandeha bb eto amitsiska eto Madagasikara fa hatao any Toamasina ny matso lehibe izay fanao eo Mahamasina.Hatramin'izao aloha dia mbola siosio izany ary resaka miely fotsiny fa tsy tena mari pototra nefa mampisy fanontaniana ihany satrai nahoana hoy ianao : eto Antananarivo aza ny tafika mitambatra mbola tsy nanao famerenana teny Mahamasina na dia efa tokony ho nanao zany teny aza zareo araky ny efa fanaony isan-taona.
Ny mpikarakara ny lanonana toy izao dia mbola tsy nandrenesan-teny ihany koa momba izany.Ny lehiben'ny faritra Antsinanana moa dia nilaza ihany koa fa mbola tsy nahare sy nahazo baiko hikarakra ny lanonana any toamasina.
Ka aiza ihany ary no hatao io mantso io ?
Mety gaga isika hoe inona moa izay mantso ? na aiza io na aiza no hanaovana azy ve tsy mitovy ihany? na any manakara io no atao na any antsirabe na any vohiposa na anay morondava na any antsiranana na toamasina moa ve tsy eto Madagasaikara ihany ?
Marina izay fa tanana eto Madagasikara daholo ireo voatanisa ireo ary tsy amapahafiriny aza ireo.
Aza hadino nefa fa na aiza na aiza eran-tany dia ao amin'ny renivohitry ny firenena iray no ankalazana sy hanaovana ny matso lehibe fanaon'ny tafika ao amin' ilay firenena.

Dia ho sanatria ve ka ho any Bordeaux na marseille na Nantes na toerana hafa koa no hanaovana ny matso fanaon'ny tafika frantsay ao Paris ilay fijerinay amin'ny telé foana rehefa 14 jolay.

Torak'izany koa ny firenenan amarikanina na saoudianina na anglisy !

Eritreritra mba sdendra nandalo iny fa dia ho hita eo ihany ny tohiny ary dieny izao ny tenako dia mirary antsika mianakavy ho tratry io fety io ary hankalaza izany ao anatin'ny firavoravoana sy fifaliana avokoa e !

ravatorano

 

manodidina ny fanampiana ny traboina !

ravatorano | 28 Febroary, 2008 05:27

tena nitondra takaitra mafy ho an'ny mponina teny amin'ny faritra iva tokoa ny fandalovan'ny andro ratsy na cyclone Ivan iny teto Madagasikara .
Ny faritra iva moa no tena voa mafy teto Antananarivo.
Deraina ny filoham-pirenena nitondra ny fanampiana ho an'ireo traboina ireo.Ankasitrahana izany fihetsika izany ary dia mahafaly ny olona tokoa na dia fanampiana hany ho fanampiana ihany aza.
Manarak'izany dia eo amin'ny fizarana ireny fanampiana ireny no maha be menomenona ny traboina ary maro koa ny tsikera manodidina an'izay.
Ny ahy ny mba hany teniko dia ity tsara sy mendrika ny asa soa fanampiana ireny traboina ireny fa tsara kokoa ny nanao vinavinan'asa mialoha mba tsy hisian'ireny fahavoazana ireny.
Raha nozaraina vola be toa ireny ny traboina tsy nety ve raha nanaganana trano tamin'ny toerana hafa tsy akaikin'ny rano na fefiloha ry zareo na ety amin'ny faritra "avo" fa tsy eny amin'ny lazaian fa faritra "iva" eny foana.Raha natambatra ny vola tamin'ireny fanampiana ireny tsy nahavita trano izay tokony ho azy ireo ve izany ?
raha vitan'ilay mpompera ery andralanitra ve tsy ho vitan'ny fanjakana e ! izaho mino fa vita fa mbola tsy any aloha ny "priorité" angamba fa mbola zavatra hafa nefa "aleo misoroka toy izay mitsabo ".

mangina ny andron'ny roa janoary 2008

ravatorano | 02 Janoary, 2008 09:29

ravatorano
Andro fiasana anio roa janoary valo sy roa arivo.
Mangina tokoa satria ny olona saika naka fialan tsasatra daholo (saika congé annuel avokoa).
Ny taxi be zany dia tena malalaka ery,ny fitohanan'ny fiara dia ohatran'ny hoe nofy fotsiny fa dia malalaka ny arabe.
Ny fako no mivangongo eraky ny lalana izay aleha na dia efa mandray ny andraikiny aza ny ao amin'ny commune ao.
ny orana koa nanao izay ho afana ka tena nandreraka ilay nivoaka kle fa naleo d nanamafy tao ambovo miaraka amin'ny jus sy ny tsaky ary ny alokaola tsy adino.
Famalalaka wa ny taxi be e!efa mimenomenona sahady ry zalahy hoe ho ratsy indray zao ny kandra fa vitsy ny olona mivezivezy ! nefa tokony izao no fotoana hanamboaran dry zalahy sy hanaovany revision ny fiarany mba hahafanan dry zareo mampiasa azy hampahatoniana bebe kokosa satrai tsara ny manana fiara miasa tsara voatra sy vita vizity tsara koa

tonga soa enao ra 2008

ravatorano | 02 Janoary, 2008 06:45

Na dia tao anatin'ny orana mikija aza no niandrasana ity taona vaovao ity dia mino aho fa tso-drano ihany izany ary ho taom-pahombiazana ho antsika mianakavy ra 2008.

Eto dia mirary soa , fahasalamana,fahombiazana ho antsika namana rehetra izay mamaky ity lahatsoratra ity aho.Ho taona Zina ho antsika anie ity taona ity !

Ny mampalahelo dia ny fitomboan'ireo traboina eto antananarivo izay eo ami'ny zato isa isan'andro eo araky ny vaovao navoakan'ireo mpikarakara izany satria niakatra betsaka ny rano ary fefika ny tanana ambany hono izany.
Na izany aza dia tsy mbola atahorana hono ny tena fiakaran'ny rano sady mba tsy avy koa ny orana omaly naraina sy ny tolak'nadro fa mba nanaja ny voalohan'ny taona ny ranonorana ka mba niato kely izy izany e

Izany fahabetsahan'ny orana izany dia vokatr'ilay rivo doza mananontanona an'i madagasikara avy any atsimo andrefana any any akaikin'i belo sur tsiribihina any, avaratra an'i morondava any , soa lahy fa efa aty antananarivo ny tenako fa sahirana raha notratran'izany tany ampanaovana asa tany morondava tany marina moa ouh !

 

tsara ny mialokaloka !

ravatorano | 28 Desambra, 2007 09:56

ravatorano
toy izao izahay rehefa mialokaloka avy namboly hazo !
toy izao koa izany no tombotsoa voalohany azo avy amin'ny fambolena zanakazo raha fihinamboa moa izy dia sady azo ialofan no azo hohanina ny voany !
koa amin'izao fisokafan'ny taom-pambolena zanakazo izao dia tsara ny manentana antsika rehetra mba hanao izany adidy masina ho an'ny tanindrazana izany mba ho maintso mavana indray no tazana eny antsefatsefan-tendrombohitra eny ary mba ho ara-dalana ny rotsak'orana sy ny hafanana fa tena tsy an'erany mihitsy tamin'ity taona ity ,izay vao manomboka ihany ny hafanana
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb