ravatorano

Gidragidran'ny mpianatry ny Oniversité Toamasina : Antsiranana sy toliary

ravatorano | 09 Jolay, 2008 10:42

Araky ny vaovao reko tamin'ny radio Don Bosco anikeo maraian dia nisy fifanjevoana naharatrana mpianatra anakiray tao amin'ny Oniversité Barikadimy Toamasina omaly.

Nifandona tamin'izany ny mpianatra avy any avaratra Antsiranana sy ry zareo avy any atsimo Toliary.Ny niatombohan'ny ady aloha dia resaka joba na sipa na tovovavy iray.Rehefa naharesy tamin 'ny lalao basket ny ekipan'ny toliary dia nanao fetifety sady toliary koa tsy miroro ary dia nahazo sipa avy any avaratra "niaraka nidance tsapiky sy kilalaky"(za no mamorona an'io an! ).Somary taitra sy tezitra ny ndaty avy any atsimo reefa nahita izany ka nisavoritaka kely ny tao amin 'ilay trano filanonana nefa dia nitony ihany.
Avy teo anefa dia raikitra indray ary nitohy tany amin'ny cité U ny gidraka ka nisy mpianatra avy any avaratra Antsiranana no voan'ny vely kobay ka vaky ny lohany ary dia nobondana ny valahany tratran izany.Nahare sy nahita an iny ireo gaolahy avy avaratra dia nangataka mba homen ireo ndaty avy any atsimo ny anaran ireo nahavita nively ny namana mba ho faiziny nefa dia tsy nety nanolotra ilay na ireo nahavanondoza ry zalahya vy any atsimo.Noho izany dia raikitra ny valifaty raikitra ny tora bato sy ny sisa ary niditra antsehatra mihitsy aza moa ny EMMO/NAT toamasina nandamina ny raharaha ,teo ihany koa ireo tompon'andraikitra amin'ny Oniversité any Toamasina nanao ny fandaminana.

Ilay mpianatra avy any avaratra voa mafy ka nolazaiko tsy nahatsiaro tena tery ambony iny zany zizao efa mba nihatsara ny fahasalamany satria efa vita ny radio,efa nizaitra ny tataka teo amin'ny lohany ary efa mahatsiaro saina ranamana.Mirary fahasalamana ho an ilay voa mafy ary koa enga anie mba hitony sy hilamina amin 'izay ny ao amin'ny Cité µBarikadimy ao satria efa betsaka ny mpianatra avy any antsimono efa nibata entana niala tao nohon'ny tahotry nyv alifaty ho avy aminy na dia tsy nanao 'inona n'inoana aza ry zareo izany hoe tsy niray petsapetsa tamin' ireo mpiray fihaviana taminy izay namely kibay ilay tovolahy avy any avaratra.

haverina indray izany ny fanagasiana

ravatorano | 08 Jolay, 2008 06:51

nisy gazety nivoaka omaly izay nilaza fa haverina ny fanagasiana.

Vao niseho io dia maro indray no nioro-koditra hoe hiverindalana indray ve isika.Tena izany tokoa ve raha haverina ny fanagasiana ? amiko dia mila fandinihana lalina ny momba izany .

tsy ratsy akory ny fanagasiana fa ilay fampiharana azy amin'ny fampianarana no mila ezaka sy fanatsarana betsaka ary koa fampiofanana ny mpampianatra hikirakira izany fanagasiana izany

raha nyu eo amin'ny ara panjakana dia rariny loatra raha ny taratasy rehetra ara panjakana dia atao ami'nny teny malagasy avokoa fa tsy hoe teny frantsay na anglisy no mibahana amin'izany.Amizao mantsy toa mirona loatra amin'ny fampiasana ny teny vahiny isika eo amin'ny antsoina hoe taratasy arapanjakana.Ny hitako aza moa raha mikasika ny asako manokana eto izany dia saika teny anglisy avokoa no andikana ny taratasy rehetra ary dia sahirana ilay malagasy kely izay mpiasa majinika tsdy nanovo fahalalana momba ny teny anglisy .Raha teny malagasy anefa izao ilay izy dia tsy nanaosarotra akory ranamana fa vay dia nikatroka tsy nihambahamba hany ka farany dia navelany teo ilay asa fa mbola hitady mpandika teny ono izy.Teo no raikitra ny adihevitra hoe tokony hianatra teny vahiny hafa ny mpiasa teo no nilaza fa andevozin'ny teny vahiny loatra isika ka na taratasy natao ho an'ny samy isika aza dia lasa ny teny vahiny no ampiasaina amin'izany.Dia samy nihazona ny heviny fa tsy nety vita ilay resaka. 


Ka amizao hiheverana ny famerenana ny fanagasiana izao dia inona ary no tena tsara tokony ho atao mba hahamendrika kokosa ilay tany malagasy amin'ny fampiasana azy.

fanafihana eny amin'ny lalampirenena fahafito !

ravatorano | 07 Jolay, 2008 09:17

Mitaintaina izay tsizy ny tena rehefa mandeha amin'iny lalampirenena fahafito iny mianga eto Antananarivo izany ka mipaka hatrany toliara.
Ny tena atahorana aloha dia ny manelanelana an'Ambositra sy Fianarantsoa sady amin 'ireo toerana ireo no tena fanaovan dry ilay tsy vanonana mpandroba ny asa ratsiny.
Vao miainga eo Ambositra ny tena indrindra fa efa hariva sy manomboka maizina ny andro ka hiditra ny alina dia efa indreny fiara maro mifampiandry eny Ivato centre na ao antsimo keliny ao, mifampiandry manao "caravane" ka misy hatramin'ny fiara folo mahery any no indray miaraka ary ao avokoa na ny katikaty izany na ny mazda sy toyota mpitatitra na ny fiara tsotra !Atao ahoana fa mamy ny miaina ary aleo misoroka toy izay mitsabo hoy ny fitenenana.

Amin'ny ankapobeny aloha dia matoa misy ny fanafihina dia efa fantatry ny mpanafika mialoha fa misy azo raisina any , misy olona mitondra vola be avy nivarotra omby na nahavita afera na ...misy vola b any antsikinana e ;mahalana anefa no misy fanafihina ka hoe fandrobana olona entina amin'ny taxi brousse fotsiny ka tsy ahitana fananana betsaka akory.

Na izany aza dia miorikoditra ny mpampiasa iny lalampirenena iny isaky ny mandeha amin'iny ka na misy volabe na tsissy dia manaintaina foana, efa misy zandary ihany eny rehetra eny nefa raha ny eo ambatofitorahana aloha dia tena misy toerana tena kizo be mihitsy ka eo ry zareo matetika no manao ny asa ratsiny , toy izay koa eo ambalamanakana ary dia tsy nataotao foana ny anaran'ireo tanana anakiroa ireo !

 

fankalazana ny fetin'ny 26 jiona 2008 teny amin'ny lalampirenena fahafito iny !

ravatorano | 30 Jiona, 2008 15:31

Niainga maraian tamin'ny valo sasany teo fianarantsoa izahay ary hihazo an'antananarivo ny 26 jiona 2008 teo.Vao teo Ivoamba sy andohanisana ary Iboaka defa tomefy olona ny arabe , feno olona manao akanjo marevaka tokoa !Teo alakamisy Ambohimaha dia feno olona koa ny arabe ary nitohana mihitsy aza moa nandritry ny atsasakadiny mùahery satria nandalo teo tamin' izay ny mpianatra hanao "defilé" arahin'ireo kartie mobily .Toy izany koa ny teo Ambohimahasoa izay vao lavidavitra ny tanana defa re mitatatata ny fanamafisam peo amin 'ireo hira betsileo mihetsiketsika tokoa ary dia efa raikitra ny fandihizana antsena sy ankalamanjana na dia efa atoandro be aza !

Teo amin'ny commune rurale Camp Robin no tena nahafinaritra no nijery ireto kartie mobile amin'ny famamiana maitso tanora vaovao be arahin'ny kapa kiranyl mainty izay vaovao koa.Ny zandary efadahy eo anoloana milanja ny basy sy ny sainam-pirenena ary mamarana ny filaharana ny mpianatra ao amin'ny EPP sy ny ceg.Zany tokoa ny fety sy matso anyAmbanivolo rehetra any ary tamin' iny lalana iny dia nitovy tamin 'izay avokoa na ny teny ambalamanakana , na ny teny ambatofitorahana, na teny Ivato centre koa aza .

Ny tena nitovizany koa dia feno olona mamo ny toerana rehetra izay nolalovina ary raha mirafarafa mandeha mafy ianao dia atahorana hanao accident fa be no mivembena eran'ny lalana ka dia naleo nilamina hatrany fa ny tonga ihany no noharabaina. 

Efa tolak'andro izahay no nandalo an'Antsirabe rehefa vy nisakafo teo Soavina.Ny tena nahagaga dia tsy nisy hotely nivoha tamin'iny lalana iny fa fety ny andro ka nikatona avokoa ry zareo hany ka sarotra be vao nahita hanina ny tenanay.

Nanomboka teo Ambositra no niakatra aty Antananarivo dia efa hafa indray ny hetsika amin'ny fety satria efa misy ny "podium" natokana ho amin'izany ka tsy tazana eran'ny lalana intsony ny vahoaka hitanjozotra toy ny tany antsimo fa efa samy mahita ny toerana halehany avokoa.

 Za manokana dia nahita fa nilamina iny fety ary nahafinaritra ny tena satria zava baovao no hita na dia fahoriana aza no nidinana tany fianarantsoa sy ni niakarana taty Antananarivo !

Nitondra fakan tsary ihany fa tsisy pellicule ilay fakatsary numerika dia low bat dia tsy nahazo fa najavona avokoa izay nalaina nefa tena tsy ahita ny toy ireny impiry intsony !

 

Mpitsabo izany izao no hitantana ny ministeran'ny fanatanjahatena manomboka izao !

ravatorano | 24 Jiona, 2008 05:02

Raha nanao ny fivoriana mahazatra azy ny filakevitry ny governemanta dia nanendry an'Andriamatoa Jean Louis Robinson ho minisitry ny fanatanjahan-tena.
Izy moa dia mpitsabo ary efa minisitry ny Fahasalamana teo aloha ary efa nitazona ny filohan'ny Holafitry ny dokotera malagasy.

Tamin'izany fanendrena izany no nitenenan'Atoa Marc Ravalomanana Filohampirenena fa hatao laharampahamehana ny fanatanjahatena fa tena tsy lasa intsony ny mahita antsika malagasy "mba tsy hitenenana hoe mitana ny rambony fa manakaiky ny farany" ka dia nanohy ihany izy hoe " mila fanavoazana malaky sady haingana izany ary azo tsapai tanana ao anatin'ny fotoana fohy" Nanaiky moa ny minitra vaovao hanatanteraka ny asa ary dia hanao fanamby lehibe izany mba hanatontosana izany asa izany.

Ny praiministra rabemanajara moa dia nanome toky ny filohan'ny repoblika fa dia hanao adidy masina mba hampandroso ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb