ravatorano | 17 Septambra, 2011 15:55
Sarasara tsy ambaka daholo ary isika mianakavy mamaky eto e !
Iaraha mahalala izany fa dia nanao sonia ny tondrozotra na ravin dalana izay napetraky ny vondrona SADC ny mpanao politika malagasy.Ny tena mahalasa ny sain ny mpanara baovao dia ilay andalana faha 20 ihany e izay mikasika ny mpanao politika nanao sesitany ny tenany na ankolaka izany na koa tsy antery fa ninian izy tompony natao.
Eo indrindra zany tsika.Samy manana ny heviny avokoa ny rehetra momba izay indrindra moa mikasika an i Ravalomanana.Amiko manokana dia aleo izy hody eto Madagasikara raha izay no faniriany sy tiany izy rahateo malagasy ka manana zo amin izany.Tsy hitako mihitsy izay olana fa anjaran ny fanjakana amin izao dia ny FAT izany no manapakevitra ny amin izay ho fandehany na ho samborin dry zareo izy araky ny dosie efa mande sy misy any na hiandry amnistie na koa avelany ho afaka miriaria eny.Ny FAT no tompon andraikitra voalohany amin izany ary anjarany izany no mametraka ao anatin ny mangarahara tanteraka ny momba izay na ny fikatsahana fitsarana tsy mitanila ary mahaleo tena hitsara azy na ny fiambenana azy tsy ho faty alohan ny fotoana na koa izay mifandraika amin ny fahafahany miaro tena amin'ny fitoriana izay hahazo azy ! Fiovana no novoizina tamin ity tetezamita ity ary tokony ho izay no hisy !
Aoka koa ireo izay nanana raharaha rehetra tamin'ny fitsarana mba hahazo ny zony aradalana momba izany aoka hisy marina ny fifamelana ara politika ary hibanjinana amin izay ny fampandrosoana ny vahoaka sy ny firenena.
Tsy tokony avela ho afa maina koa anefa ireo izay nihinana ny volam bahoaka tato anatin izao fitondrana tatezamita izao satria misy ary voalaza an gazety na antsoratra na ambava fa aminà tapitrisa amanjatony mihitsy ny vola alain ny minisitra sasany a amin ny tahirim bolam panjakana na orinasam panjakana entina mikarakara ny tenany na ny ankohonany.Anjaran ny FAT ihany koa izany indray ny filoha mpitarika azy mba tsy hisy intsony ny tsy maty manota na iza na iza.
Betsaka no azo ambara amin iny tondrozotra sy ravindalana iny fa miandry ny fampiharana azy aloha isika dia ho hita eo raha hiady hifandramatra ka hampiakatra totohondry indray ireto mpanao politika malagasy ary hifampihantsy mihitsy amin izao fizarana seza izao.
Hoy Ramafandrahona hoe éty semboko ty tsy omeko anao malala an" fa ny mpanao politikatsika kosa mamalana azy hoe " ty sezako ity e tsy meko anao ralala an é !
Soava tsara ah !
ravatorano | 11 Jiona, 2011 11:22
Ela izay tsy nanoratako tamin'ity blaogiko ity zay;ny fotoana mihitsy no tsy nisy ary amizao somary manararaotra kely miditra eto.
Henjana mihitsy mantsy amin'izao ny fandehan'ny raharaham-pirenena satria izay neverina mba hamihiratra ny fiainam-bahoaka indray amizao no mitavozavoza fitondra ka mapiditra kizo ny vahoaka malagasy.Fiovana lalimpaka no nokasaina sy neverina fa hisy eto nefa dia toa ny omaly ihany no androany ary vao maika aza loza lavitra nohon'ny efa nisy 50 taona lasa izay raha mbola izao no mitohy amin'ny fanaovana sy ny fampiharana ny politika maloto eto amin'ny firenena.
Inona marina no nampihemotra an ilay "sabotsy mifankahita"? Tokony androany ry zareo SADC no nanome valiteny farany momba an i Madagasikara rehefa avy niheno ireo mpanao politika izay neverina fa mahasolo ny antoko 320 mmisy eto amintsika nefa dia nihemotra ho rahampitso indray zany.Ny antony ??? tsy haiko aloha fa dia ho fantatra eo ihany !
Asa kosa sao dia ny famoahan'ny parlementera eropeanina volavolan-kevitra izay mamerina sy manamafy indray ny tsy fankatoavany ny Fitondrana avon'ny tetezamita FAT izay milaza ny tsy fankatoavan dry zareo ny mpitondra amizao amin'ny fanomanana ny fifidianana.Eo koa ny hoe avy dia ny dinan'i Cotonou no ampiharina ary io dia tena manala amin'ny toeran'ny mpitondra amizao eo amin 'ny familiana ny firenena satria dia neverin-dry zareo ho mpanongam-panjakana ry FAT.Ny mahagaga ahy dia ity : nanome sazy ny FAT ny Komity eropeanina na ny CEE nefa tsy nisy nihatra ireny fa mbola afaka niriharia hatraiza hatraiza ny mpitondra ary ny filohan'ny tetezamita aza moa dia noraisin'Ingahy Juppé mihitsy raha nandalo tany la frantsa ! politika daholo izany ! Ny frantsay dia tsy taitra loatra amin'ireny nataon'ny parlementera eropeanina ireny raha ny filazan'ny ambasadaorony nefa za dia manahy fa matoa nihemoytra rahampitso ny famohahan'ny SADC ny valinteniny dia ao raha ary izay dia mampanontany tena hoe sao dia mba nohon'ilay fehikevitra navoakan'ireo parlementera eropeanina no antony voalohany amin'izany
Asa lahy fa dia ho hita eo ihany saingy ny vahoaka no sahirana sy mijaly amin'izao kirizy politika izao,ny vahoka no mibaby ny vokadratsin'izao ary ny vahoaka no vizana mialoha amin'izao fa ny mpitondra ve !!!! ao ny mamoaka fiara vaovao manjelatra be,ao ny trao vaventy ny sasany aza mihodina amin'ny jet! Tsy mada raid tsony fa madajetskinautik hahahahahaha
ravatorano | 29 Oktobra, 2009 12:56
Vao tsy ela dia tonga indray ny fanambarana fa teraka izao ny firehana faha dimy izay Ingahy Monja Roindefo no mitarika azy satria olona nanohana sy avy ao amin'ny antokony avokoa ireo tena mpikambana mafana fo ao anatin'izany.
Atao inona ary io firehana faha dimy io ?
Raha ny fanazavana re tamin'ny famelabelaran-kevitra izay nataon'izy ireo omaly 28/10/2009 dia natao indrindra izy io hanohana sy hitondra ny hevitra rehetra nataon-dry zareo "mpitolona" teny amin'ny kianjan'ny 13 mai ireny.Ka moa ve tsy efa voasolon'ireo firehana Andrinirina Rajoelina izany ? Eo indrindra no mahasadaikatra satria tsapa fa mifanohitra sy mifanipa-kevitra ry zareo ireo amin'izao indrindra fa hatramin'ny nanalana an'Ingahy Monja Roindefo ho Praiminisitra ka nanendrena an'Ingahy Mangalaza hisolo azy.
Raharaha ity seza politika ity ! Vao tsy ela akory izay no nifampilokaloka ny hiara-dalana mandrakizay,ary tsy hisy mihitsy hahasaraka ilay fiarahana ka na ho rivo-doza aza tsy hahasaraka azy saingy indrisy mantsyfa tao anatin'ny ora vitsivitsy monja dia tonga ihany ny nampoizina efa hatri'ny ela,tonga ihany ilay efa neverina fa hiseho satria tsapa fa mbola tsy ampy tosika eo amin'ny fihantrehana ny tena "ketrika " ara politika ireo milaza fa tanora mpitondra ao amin'ity fitondrana tetezamita ity amin'izao fotoana izao.
Ny fampiasana ilay teny hoe "vahoaka" moa amizao dia tsy hay intsony satrai izay miteny sy mitonona dia milaza mahazaka vahoaka avokoa nefa rehefa tonga tokoa ilay fitsapana izany dia miharihary toy ny tafika andrefan-tanana ny olona mandatsa-bato ho andry zareo.Rehefa tsy mahomby amin'izay dia milaza indray fa tsy ara-dalana sy tsy ara-drariny ny fifidianana fa mila ovaina izatsy lalana izatsy mila amboarina ny sata toy izao mba ho fifidianana madio sy mangarahara no misy.
Minoa ahy anefa ianareo fa rah tsy lany na mahazo vato kely amin'izay fifidianana ho avy eo ry zareo mpilalao politika ireo izay mibahana sy mitondra ny fanjakana malagasy amin'izao dia hirongatra indray izy ireo hitaky ny hamerenana ny fifidianana mandrapaha lany azy.
SAhotaka tsisy fiafarany eto raha ho toy izany foana !
ravatorano | 17 Septambra, 2008 12:51
ravatorano | 04 Septambra, 2008 09:47
Mbola mety hiampy indray izany ny isan-jaton’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo.
Mbola mety hitombo ny isan’ny mpianatra ho afaka bakalôrea eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo. Nanao fanambarana, tao amin’ny RNM sy TVM mantsy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Ny vontoatin’izany dia ny fanapahan-kevitry ny fanjakana hanamarina indray ny naotin’ny mpianatra niatrika bakalôrea farany teo. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nafonja ny delegasiôna nihazo ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, satria nanotrona ny minisitra mpiahy ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, ny minisitra lefitra misahana ny fampianarana ambony, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ary ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Midika izany fa raha toa ka nisy naoty nifandiso dia hisy mpianatra ho afaka bakalôrea indray. Nanome toky anefa Rtoa minisitra fa tsy hokitikitihina intsony ireo mpianatra efa afaka.
Tsy mifampatoky ?
Azo antoka fa hahafaly izay mpianatra efa tsy afaka ary ho afaka indray sy ny ray aman-dreniny, indrindra hahababo ny fon’izy ireo izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany anefa izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny eny anivon’ny oniversite, izay nilaza ho tsy nahalala akory ny fanapahan-kevitra raha tsy efa nahare izany tamin’ny haino aman-jerim-panjakana.
Manoloana izany dia manitikitika ny saina ny hoe: tsy mifampatoky ve ny minisitera sy ny oniversite? Efa re siosio ihany mantsy fa nisy mpanara-maso tamin’ireny fotoana nitsarana ny fanadinana ireny.
Amin’ny lafiny iray kosa anefa, noho ny feo maro nandeha mikasika ny fivadibadihan’ny naotin’ny mpianatra dia nandray andraikitra hanazava ny sain’ny maro izany ny minisitera mpiahy.
V.R.
gazetiko
04/09/2008
tsy dia misy lazaina firy fa izay efa mahafantatra ahy anontaniana dia izy hilaza anao bebe kokoa ny amiko !
| « | Janoary 2012 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 |
| 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 |
| 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 |
| 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 |
| 29 | 30 | 31 | ||||